• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Trucmania
Image
Fahasalamana&Sakafo

Voky be loatra : ireo fomba atao ampitoniana izany alohan’ny atoriana

30/12/2024 11:45 © Moov.Mg

Isan’ireo fomba hanamarihantsika ny fetin’ny faran’ny taona, indrindra ny krismasy sy ny taom-baovao, ny fihinanana sakafo matsiro sy maro karazana. Tranga matetika mitranga arak’izany ny hoe voky be loatra ka lasa tsy mahalevon-kanina na fenofeno be ny kibo ka tsy mampahazo aina. Ireto manaraka ireto ary ireo torohevitra hahamaivamaivana sy hampitoniana ny fahavokisana be loatra alohan’ny hatoriana.

Horina ny kibo alohan’ny hatory

Tsy mampahita tory ny fahatsapana voky be loatra. Mba hanamorana ny fandevonan-kanina ary dia mila horina ny kibo rehefa alohan’ny hatory. Mandrisika ny fiasan’ireo taova fandevonan-kanina ary mampitony ireo fanaintainana ao amin’ny kibo ny fanaovana izany. Tsotra ny fanatanterahana izany :
-Mitsotra eo ambony fandriana na « tapis de yoga » ;
-Apetraka eo amin’ny kibo, eo anivon’ny foitra ny tanana ;
-Orina manao boribory manaraka ny fiodin’ny fanjaitran’ny famantaranandro sady somary tsindriana moramora ny kibo. Manampy amin’ny fanesorana ny rivotra sy fampidinana ireo sakafo mihitsoka ao amin’ny tsinay io fiodin’ny fanorana io.
-Atao mandritra ny 5 minitra eo fanorana io sady miaina miadana tsara.

Torohevitra fanampiny hanatsarana ny fandevonan-kanina

-Mba hampandaitra tsara kokoa ity fomba fampitoniana ny fahatsapana voky be loatra ity dia misy ireo torohevitra fanampiny mila ampiharina :
-Misotro dite manatsara ny fandevonan-kanina toy ny dite sakamalaho, dite solila… Sady manala rivotra ihany koa izany no mampitony ilay fahatsapana mizihitra be ny kibo ;
-Mandeha tongotra kely mandritra ny 10 hatramin’ny 15 minitra eo ho eo rehefa voky be iny mba handrisihana ny fikorian’ny rà sy ny fiasan’ireo hozatra amin’ny kibo. Tsy mety kosa nefa ny fampiasam-batana be loatra ;
-Fadiana ny mitsotsotra avy hatrany vao voky be iny. Mila miandry adiny iray fara fahakeliny vao mandeha matory mba hisorohana ny « reflux gastro-œsophagien ».
-Matory miorinana havia mba hanamorana ny fandevonan-kanina. Manampy betsaka amin’ny fiasan’ny vavony sy ny aty izany sady manamora ny fandehanan’ny sakafo mankany amin’ny tsinay. Misoroka ny fahatsapana misalebolebo rehefa voky be loatra ihany koa izy io rehefa matory.

Lire la suite

Articles Similaires