• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fornstudio
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fiandrasana ny taona vaovao : Tsy mahazo miari-tory ny olona manana olana amin'ny tosidrà

30/12/2024 04:01 © Moov

Efa fanao isan-taona ny mikarakara fety rehefa "réveillon". Mazava ho azy, misakafo sy mandihy ary manao zavatra mahafinaritra isankarazany ny rehetra hiandrasana ilay taona vaovao, amin'ny 12 ora alina. Mba tsy hisian'ny olana ara-pahasalamana nefa, tokony matory tsara izay manana olana amin'ny tosidrà rehetra.

Tsy misy maniry hiditra hopitaly amin'izao fety izao, indrindra moa fa vao hiandoha ny taona. Noho izany indrindra, tandremana izay azo tandremana rehetra. Efa samy mailo avokoa ny tsirairay ny amin'ny fitandremana ara-tsakafo, mba tsy hisian'ny fanapoizinana ara-tsakafo. Ny mikasika ny "réveillon" kosa, tsy tokony handray anjara be amin'izany ireo manana olana amin'ny tosidrà.

Torimaso adiny 7 farafahakeliny

Na ambony na ambany ny tosidrà, tsara raha miezaka matory adiny 7 raha kely indrindra, tahaka ny mahazatra. Tsy mahasoa mihitsy ny fiaretan-tory, na te hifety miaraka amin'ny fianakaviana sy ny namana aza. Singanina manokana ireo olona efa nahazoazo taona. Mety hatanjaka be amin'ilay alina iaretan-tory, saingy mety ho fanina tampoka na ho reraka be ny ampitso. Raha zatra matory amin'ny 9 ora alina, tsara raha hajaina izay ora mahazatra izay. Afaka miari-tory ihany, saingy adiny iray farafahabetsany. Azo atao tsara ny mandamina fandaharam-potoana raha te hifety kely, saingy tsy azo atao tsirambina ny torimaso. Raha mandefa zavamaneno ny ao an-trano dia aleo tapenana ny sofina.

Sakafo mahasalama

Anisan'ny mampitombo ny olana amin'ny tosidrà ny fihinana sakafo tsy ara-pahasalamana : matavy, masiatsiaka na matsiro loatra. Tsy mahasoa ihany koa ny zava-mamy tafahoatra. Amporisihina ny tsirairay mba tsy hihinana afa-ts'izay sakafo karakarainy ao an-tokatrano ihany, na ventikanina na ranomboankazo. Tsy azo atao betsaka ny sira, ny siramamy, ny episy na dia fety aza ny andro.
-Olona ambany tension (hypotension) : tokony tsy mihinana charcuteries, trondro fumé, ranomboankazo garana na marikivy, zava-pisotro misy alikaola afa-tsy ny divay mena, sns.
-Olona ambony tension (hypertension) : sakafo be menaka, zava-mamy, sakafo indostrialy (sakafo anaty boaty/ sakafo afanaina), fromazy, sns.
Na dia manatrika fanasana aza, tsara raha mahatandrina ny sakafo hanina. Tsy azo adino mihitsy ny misotro rano, 1,5 litatra isan'andro farafahakeliny. Tsiahivina fa tokony mampahazo aina foana ny akanjo, fa tsy teritery na mampangidihidy. Raha vao misy mampiahiahy dia tokony manantona mpitsabo avy hatrany.

Lire la suite

Articles Similaires