Marary vavony : Fantaro ireo sakafo saro-devonina indrindra
Somary sahirana ny olona marary vavony amin'ny fisafidianana sakafo. Mila sakafo maivamaivana sy mora levonina mantsy, amin'ny fotoana rehetra. Inona àry ireo sakafo tsy mety amin'ny olona marary vavony ?
Charcuteries
Anisan'ny vokatra avy amin'ny hena matsiro indrindra ny "charcuteries". Manintona mpanjifa maro izy ireny amin'izao fety izao. Tsy mahasoa ireo marary vavony nefa izany satria somary matavy sady misy akora simika isan-karazany. Mijanona elaela ao anaty vavony izany ny charcuteries, na dia tetehina tsara aza.
Sakafo masiaka / Sakay
Maro ireo milaza fa fanafody vavony ny sakay pilokely. Mety hahomby izany ho an'ny olona sasany, saingy mbola tsy voaporofo ara-tsiantifika ny tena asany. Raha ireo vali-pikarohana maro no jerena, tsy mahasoa ny olona marary vavony mihitsy ny sakay na ny sakafo asiana hanitra masiaka. Ajanona aloha ny dipoavatra, ny carry sy ny episy masiaka raha te hitsabo vavony.
Sakafo endasina
Tsy mahasoa ireo marary vavony ny "aliments frits" na dia matsiro tokoa aza. Misy ny atao hoe "lipides saturés" ao anatin'izy ireny ka tsy ny vavony ihany no mijaly fa ny aty sy ny tsinay. Ialana kely mihitsy aloha ny "pommes frites", ny "croquette de poulet", ny "sambos", sns. Mazava ho azy, tsy misy sakafo mety ho an'ny marary vavony eny amin'ny "gargotte" sy ny "restaurant".
Sakafo misy akora simika
Miasa kokoa ny vavony rehefa ampidirana akora simika ny vatana. Mba hisorohana ny fahasarotan'ny fandevonan-kanina, amporisihina ireo marary vavony rehetra hikarakara ny sakafo rehetra haniny. Sorohana ny fihinanana na fisotroana vokatra indostrialy misy akora simika isan-karazany, dia ireo misy "conservateurs" rehetra. Raha te hisotro ranomboankazo ohatra dia aleo manamboatra ao an-trano toy izay mividy ireny "jus en brique" na misy "gaz" ireny.
Vokatra avy amin'ny ronono
Somary mavesatra ny ronono. Tahaka izany ihany koa ireo vokatra azo avy aminy. Raha tsy maintsy mihinana "produits laitiers" noho ny antony ara-pahasalamana, aleo tsy ronono no sotroina. Tsara kokoa raha yaourt na fromazy no hanina, ary atao kelikely.
Vary afainaina
Marobe ireo mpitondra sakafo atoandro no lasa marary vavony, indrindra raha zatra manafana sakafo amin'ny "micro-ondes". Tsara ny mampahafantatra fa mamoaka bakteria mankarary ny vary rehefa hafanaina. Tokony hanina avy hatrany ny vary vao masaka fa tsy andrasana hangatsiaka na averina hafanaina.