• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Rts
Image
Vaovao

Notre Dame de Paris : Nandray ny lamesa noely voalohany, taorian'ny fahamaizana

27/12/2024 08:00 © Moov

Ny alarobia 25 novambra lasa teo no nandray ny lamesa krismasy voalohany taorian'ny nanarenana azy ny fiangonana katolika Notre Dame de Paris. Mbola mitohy hatrany ny asa fanarenana.

Fiangonana manan-tantara

5 taona aty aoriana, tafaverina ny hakanton'ny Notre Dame de Paris amin'ny anKapobeny, indrindra ny anatiny. Vita soa aman-tsara ireo asa goavana tamin'ny fanarenana ny Notre Dame de Paris. Mbola misy moa ireo pitsopitsony tsy maintsy amboarina, indrindra ny ivelan'ny fiangonana, izay hanomboka amin'ny taona 2025. Raha tsiahivina, ny 15 sy 16 aprily 2019 no nitranga ny firehetana. Naharitra 15 ora mahery ny famonoana ny afo.
5 taona no tsy nisy krismasy tao amin'ny Notre Dame de Paris. Feno hipoka ny fiangonana tamin'ny andron'ny krismasy tamin'ity taona 2024 ity, nandritra ny lamesa krismasy voalohany niarahan'ny besinimaro. Nanakoako ny feon'orga sy ny hira noely, niaraha-nifaly tamin'ny fisokafan'ny fiangonana indray. Efa nisy moa ny lanonana fanokafana sy ny lamesa notanterahana, tamin'ny herinandro voalohany tamin'ity volana desambra ity.

Fiangonana mariky ny finoana

Tsy vitsy ireo fiangonana mikatona any ivelany noho ny fanatontoloana. Mihena hatrany matetika ny isan'ny mpiangona manatrika ny fiaraha-mivavaka ka mahatonga ny fikatonan'ny toerana. Ny Notre Dame de Paris, efa 800 taona mahery, dia anisan'ireo fiangonana katolika izay heverina fa tsy hikatona mihitsy. Azo lazaina fa ambohipihaonan'ireo mpino katolika ao amin'ny renivohitr'i Frantsa mantsy io fiangonana io. Mbola marobe ireo mpamonjy lamesa, na ny tompon-tany na ny vahiny sendra mandalo.

Lire la suite

Articles Similaires