Raharaha fanondranana volamena 53,7 kg : Olona 3 voatazona eny Tsiafahy
Natolotra ny fampanoavan’ny Pôle Anti-Corruption (PAC) androany ny olona 3 voarohirohy tamin’ny fikasana hanondrana an-tsokosoko volamena milanja 53,7 kg, izay tratran’ny Fadintseranana teny Ivato tamin’ny alatsinainy teo.
Raha tsiahivina, ny alatsinainy 23 desambra lasa teo, nisy volamena tra-tehaka tanaty "valise diplomatique". Nihevitra ny nitondra ilay entana fa tsy handalo fisavana. Nanao ny asany nefa ireo mpiasan'ny Fadintseranana ka notanterahina ny fisavana ny entana. Saika ho any Dubai, amin'ny alalan'ny fitateran'ny kaompania Ethiopian Airlines moa ilay voakasika mivantana.
Olona 3 no voatazona
Hatreto aloha, olona miisa 3 no voarohirohy tamin'izao trafikana volamena izao. Olon-tsotra ilay nitondra ilay "valise diplomatique". Voalaza kosa fa mpiasan'ny Ministeran'ny Raharahambahiny 2 no voapaingotra miaraka aminy. Nisy moa ny fanomezana alalana hosoka izay nikasana hanondranana ny entana, izay nataon'ny iray tamin'ireo mpiasam-panjakana.
Ny "Pole anti-Corruption" (PAC) no miandraikitra ny fanadihadihana sady hamoaka ny didy mifanandrify amin'ny zava-misy. Misy mpiasam-panjakana iray hafa izay mbola karohana noho ny fisandohana andraikitra. Ny tenany no nanao sonia ny fanomezana alalana tamin'ny nampiasana ilay "valise diplomatique". Mazava ho azy, misy ihany koa ny fikarohana ireo mpaniraka na mpandray ny entana na mpiray tsikombakomba. Araka ny fanapahan-kevitry ny PAC, tazomina vonjimaika eny Tsiafahy ireo olona 3 voarohirohy ireo.
Fepetra hentitra
Efa maro ireo fepetra ampiharina sy fitaovana avolenta ampiasain'ny Fadintseranana Malagasy mba hiarovana ny harem-pirenena. Amin'izao fety izao, mihamafy kokoa ny fanaraha-maso eny amin'ireo seranampiaramanidina sy seranantsambo manerana ny Nosy. Tanjona ny tsy hampisy ny fivoahan'ireo harem-pirenena antsokosoko. Mahasarotiny ny Fadintseranana Malagasy ihany koa ny fampidirana entana eto Madagasikara, ka sorohina manokana ny fitondran'ireo mpandeha zava-mahadomelina mahery vaika avy any ivelany.
Araka ny fanambaran'ny Fadintseranana Malagasy, mitohy ny fampiasana ireo alika mpitsongo dia. Ampiasana ihany koa ireo fitaovana maoderina mampiasa faharanitan-tsaina artifisialy, ny ERA (Enhancement Risk Assessment) ary ny Datawarehouse amin’ny famantarana hosoka.