• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Whsv
Image
Vaovao

Donald Trump : Efa mamolavola politika "anti-LGBT" ao Etazonia

26/12/2024 10:18 © Moov

Amin'ny volana janoary 2025 vao handray ny fitondrana an'i Etazonia i Donald Trump. Anisan'ireo mihorohoro mafy ireo "Lesbiennes, gays, bisexuels, transgenres" (LGBT).

Na dia efa ao anatin'ny fandrosoana tanteraka aza izao tontolo izao, tsy manaiky ny resaka LGBT i Donald Trump, filoham-pirenena amerikana efa nitondra sady vao lany tamin'ny fifidianana farany teo.

Fepetra hentitra mikasika ny LGBT

Efa tamin'ny fotoana nitondran'i Donald Trump (nanomboka tamin'ny 2017) dia efa tsikaritra fa nisy zavatra maromaro niova tao Etazonia. Tsy dia nanalaka firy intsony ny vahoaka amerikana, tamin'ny resaka "orientation sexuelle". Ny "lahy" sy ny "vavy" ihany no tokony hisy, ary ny "lahy" sy ny "vavy" ihany no tokony hikambana. Tsy ekena izany ny fiovana fananahana, na ny vehivavy miaraka amin'ny vehivavy na lehihahy miaraka amin'ny lehilahy. Tahaka izany ihany koa ireo vehivavy na lehilahy miaraka amin'ny lehilahy sy vehivavy.
Tsy misy izany ny fahalalahana ho an'ireo LGBT raha tao Etazonia no resaka, tamin'ny 2017 hatramin'ny 2021. Hiverina indray nefa izao i Donald Trump ka efa manahy ny amin'ny hoaviny ireo LGBT. Ao anatin'ny programany 2025 – 2029, hisy fepetra enjana kokoa ho an'ireo "tsy manaja ny lalàn'ny natiora". Manomboka any an-tsekoly ny fanabeazana ireo ankizy sy tanora mba tsy hiditra amina fironana "hafahafa". Hisy fandroahana ireo "transgenre" eny amin'ireo sekoly sy tafika isan-tsokajiny.
Tsy azo adino fa efa nisy ny fandavan'i Elon Musk ampahibemaso ny zanany vavy izay niova fananahana, fony izy nanohana ny propagandin'i Donald Trump. Azo heverina fa hisy fihetsiketsehana ho tarihin'ireo LGBT izany ao Etazonia atsy ho atsy.

Fandraràna ny fanalan-jaza

Tsy ireo LGBT ihany no ho voakitikitika ao Etazonia. Tsara ny mampahatsiahy fa misy "zon'ny vehivavy" izay tsy maintsy ho kitihan'i Donald Trump. Hatreto aloha, mbola samy manana ny politikany mikasika ny IVG ny firenena tsirairay ao Etazonia. Mety ho voarara tanteraka ny fanalan-jaza an-tsitrapo na Interruption Volontaire de la Grossesse (IVG) rehefa mandray ny fitondrana i Donald Trump. Izany hoe tsy hanana fahafahana hamono ny zaza ao an-kibony na hanatsahatra ny vohoka ny vehivavy noho ny safidiny manokana.

Lire la suite

Articles Similaires