Sakafo maraina : ny maha-zava-dehibe ny fihinanana azy
Marihana isan-taona ny faha 9 ny volana Jona ny andro maneran-tany ho an’ny sakafo maraina. Ny sakafo maraina moa no isan’ireo sakafo manan-danja indrindra anatin’ny tontolo andro. Mbola maro nefa ireo mandingana io fotoana fisakafoanana io noho ny antony samy hafa, toy ny fahamaikana, ny tsy fahafantarana ny lanjany, ny fitsitsiana, ny fahazarana, faniriana hampihena tena… Mety hisy fiantraikany amin’ny fahasalamana sy ny fahombiazan’ny asa andavanandro anefa izany.
Inona no maha-zava-dehibe ny sakafo maraina ?
Mandritra ny torimaso dia mbola mandany angovo ny vatana mba hanatanterahana ireo asa ilaina toy ny miaina « respirer », ny fikorianan’ny ra ary ny fanarenana ireo sela simba. Rehefa mifoha maraina dia saika lany avokoa ny ampahany amin’ireo tahirin’angovo ao amin’ny vatana. Ny sakafo maraina dia manampy amin’ny famenoana indray io tahiry io ary manome hery ho an’ny atidoha sy ny hozatra mba hahafahan’izy ireo miasa tsara mandritra ny andro.
Ny fihinana sakafo maraina voalanjalanja dia manampy amin’ny :
-Fanatsarana ny fifantohana sy ny fitadidiana,
-Fitazonana ny herin’ny vatana mandritra ny maraina,
-Fampihenana ny havizanana,
-Fanatsarana ny toe-po,
-Fisorohana ny filàna mitsakotsako sakafo alohan’ny atoandro,
-Fanampiana amin’ny fitazonana sakafo voalanjalanja mandritra ny andro.
Ho an’ny ankizy sy ny tanora moa dia tena ilaina ny sakafo maraina satria manampy amin’ny fitomboana, ny fianarana ary ny fahombiazan’izy ireo any an-tsekoly.
Inona avy ny mety ho vokadratsin’ny tsy fihinanana sakafo maraina?
Tsy dia mampanahy loatra ny mandingana sakafo maraina tsindraindray raha toa ka salama tsara ny olona ireo. Raha lasa fahazarana kosa nefa izany dia mety hiteraka olana samihafa, toy ny :
-Faharerahana sy tsy fahampian-kery. Ny atidoha dia mampiasa « glucose » ho loharanon-kery lehibe indrindra. Rehefa tsy misakafo maraina ny olona dia mety hahatsapa havizanana, fahalemena ary tsy fahampian-kery vao manomboka ny andro.
-Fahasarotana mifantoka. Mety ho sarotra kokoa amin’ny olona tsy misakafo maraina ny mifantoka, mitadidy vaovao ary manatanteraka asa mitaky fisainana.
-Fitomboan’ny filàna mitsakotsako sakafo. Ny hanoanana izay mitombo mandritra ny maraina dia mety hahatonga ny olona hihinana sakafo be siramamy, be tavy na be kaloria alohan’ny sakafo atoandro.
-Fihinanana be loatra amin’ny sakafo manaraka. Misy olona manonitra ny sakafo maraina tsy nohanina amin’ny fihinanana betsaka kokoa amin’ny atoandro na hariva, izay mety hampitombo ny kaloria raisina.
-Fihenan’ny fahombiazan’ny vatana. Ho an’ireo manao fanatanjahan-tena maraina dia mety hitarika havizanana haingana kokoa sy hampihena ny fahombiazan’ny vatana ny tsy fisakafoanana.




