• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unsplash
Image
Vaovao

Fanondranana harem-pirenena : Solombavambahoaka iray voampanga ho nitondra sokatra 112

26/12/2024 08:33 © Moov.Mg

Sokatra miisa 112 no tratra teny Antehiroka, Distrikan’Ambohidratrimo, ny 24 desambra lasa teo. Araka ny fantatra dia Solombavambahoaka am-perinasa ny iray amin’ireo olona tratra niaraka tamin’ireto sokatra ireto.

Hiakatra fampanoavana

Zandary mpanao fisafoana no nahatsikaritra olona nifanolotra valizy, tao anatina fiara roa samy hafa, ny alin'ny 24 desambra teo, tao amin'ny fokontany Morondava, kaominina Ambohibao Antehiroka, Distrikan’Ambohidratrimo. Rehefa nanontaniana ny momba ilay valizy ireo olona dimy, dia tsy nahita navaly no sady tsy nanaiky nosavaina ihany koa, araka ny tatitry ny zandarimariam-pirenena. Vokatr’izany dia nentina namonjy ny biraon'ny zana-tobim-paritra Antehiroka ireto olona ireto, niaraka tamin’ireo fiara. Rehefa natao ny fisavana dia sokatra 112 isa no tratra, izay samy mbola velona avokoa, ka hita tao anatin’ny fiara iray ny 107 isa, ary ny fiara iray hafa nitondra sokatra miisa 5. Sokabato na « Pyxis arachnoides » ny 111 tamin'ireo sokatra ireo ary sokake na « Astrochelys radiata » ny iray.

Ny fanadihadiana hatrany no nahalalana fa Solombavambahoaka am-perinasa ny iray amin’ireo olona tratra niaraka tamin’ny sokatra ireo ary mpanampy azy ny efatra. Nogiazana ireo sokatra nentin’izy ireo ary nogiazana ihany koa ireo fiara anankiroa. Araka izany, efa nisokatra ny fanadihadiana, ary androany 26 desambra 2024 no voalaza fa hiakatra fampanoavana ny raharaha.

Laharana maitso 955

Tsiahivina fa manana karazana sokatra miisa 9 isika eto Madagasikara, ahitana sokatra an-tanety sy soka-drano. Ireo karazana sokatra 5 ireo dia tsy fahita raha tsy eto Madagasikara. Voasokajy ho biby arovana avokoa izy ireo, ka voarara ny fisamborana, ny fivarotana, ny fihinanana ary ny fanondranana azy. Atahorana ho lany tamingana avokoa mantsy izy ireo, satria dia tafiditra ao anatin’ny lisitra menan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Natiora (IUCN). Manentana ny rehetra, noho izany, ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, mba hitoroka amin’ny laharana 955, raha toa ka mahatsikaritra trangana fitrandrana harena voajanahary tsy ara-dalàna.

Efa nomena ny Turtle Survival Alliance moa ireo sokatra, hahafahan'izy ireo mandray an-tanana ny fikarakarana azy.

Lire la suite

Articles Similaires