• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Bace
Image
Vaovao

Fandaharan'asa Afafi-sud: Fotodrafitrasa mpanondraka tanimboly (AHA) miisa dimy vonona ho ampiasaina

24/12/2024 14:49 © Moov

Notanterahina ny faran’ny herinandro teo ny fandraisana amin’ny fomba ofisialy ireo fotodrafitrasa mpanondraka tanimboly (Aménagements Hydro-Agricoles (AHA) dimy ao anatin'ny Fandaharan'asa Afafi-sud. Ireo AHA ireo dia manampy amin'ny fanatsarana ny fitantanana ny rano sy ny famatsiana azy, ary manohana ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fambolena eo an-toerana.

Kaominina miisa telo

Kaominina miisa telo ao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana no nisitraka ity fotodrafitrasa ity. Hanampy amin'ny fanatsarana ny famatsiana rano amin'ireo faritra ireo izy io, indrindra ny fambolena. Ao anatin’izany ny fokontany Andakapotsy, Andranolava ary Andragnabo II, izay tafiditra ao anatin’ny Kaominina Anandravy. Eo ihany koa i Andragnabo I ao amin’ny Kaominina Mahatsinjo sy i Vatominty, izay tafiditra ao amin’ny Kaominina Maheriraty. Ireo fotodrafitrasa ireo dia afaka hanampy ny tantsaha hampitombo ny vokatra sy hanatsara ny faharetan'ny fambolena ihany koa. Tanjona lehibe indrindra amin’izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy faharetan’ny fambolena eo an-toerana.

Hanova ny fomba fambolena

Ireo fotodrafitrasa ireo ihany koa dia hitondra fiovana lehibe ho an'ny fambolena sy ny fiarovana ara-tsakafo any amin'ny faritra atsimo. Raha jerena ny firafitry ny toetr’andro sy ny fiovan’ny toetrandro any an-toerana dia hanampy amin'ny fanatsarana ny fomba fanao amin'ny fambolena ireo fotodrafitrasa ireo. Araka izany, manamora ny fiainana ho an'ny mponina any amin’ireo kaominina voakasiky araka izany ny fandaharan'asa. Hanampy ihany koa amin’ny fanatsarana ny fidiram-bola sy ny fiainana andavanandro amin'ny alalan'ny fahaiza-manao amin'ny fambolena maharitra sy ny fitantanana rano.

Tohanan’ny Vondrona Eoropeanina

Ny Fandaharan'asa Afafi-sud dia tetikasa iray natao hanampy amin'ny fanatsarana ny toekarena sy ny fiainana andavanandro any amin'ny faritra atsimo. Ity asa notanterahina ity dia mikendry ny fanatsarana ny fambolena, amin'ny alalan'ny famolavolana vahaolana maharitra amin'ny fitantanana ny rano sy ny fanatsarana ny fomba fanao amin'ny fambolena. Tsara moa ny manamarika fa izy ity dia tohanan’ny Vondrona Eoropeanina, hahafahana mampiakatra ny toe-karena any amin’ireo toerana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires