• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

JIR andiany faha-10 : Manasongadina ireo tombony ananan’ny Faritra DIANA

20/12/2024 15:34 © Moov.Mg

Faritra manana ny maha-izy azy tanteraka i DIANA, na eo amin’ny lafiny ara-pizahantany, na eo amin’ny lafiny ara-pamokarana. Ity faritra any avaratr’i Madagasikara ity no mandray ny andiany faha-10 amin’ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Faritra (JIR), ankehitriny.

Fanararaotra maro azo trandrahana

Androany 20 desambra 2024 no nanokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Faritra (JIR) andiany faha-10, tany Antsiranana, Faritra DIANA. Nitarika izany lanonam-panokafana izany ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika. Tanjon’ity hetsika ity ny hampisongadinana ny Faritra DIANA, izay manana fanararaotra maro azo trandrahana, eo amin’ny sehatra samihafa. Isan’ny nasongadin’ny minisitra mpiahy ny Faritra, ny Distrikan’i Nosy Be, izay manintona mpizahatany maro avy eto an-toerana sy avy any ivelany, ary toerana isan’ny kanto indrindra aty amin’ny raomasimbe Indianina. Eo amin’ny lafiny fambolena, dia ny Faritra DIANA no mamokatra ny 90 % amin’ny kakaô « 100 % tsara kalitao » (cacao fin) eto Madagasikara. Ao Antsiranana rahateo no ahitana ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena sy ny seranan-tsambo stratejika izay isan’ny manan-danja ho an’ny fifanakalozana ara-barotra sy ara-pizahantany, iankinan’ny toekaren’ny Faritra.

Fanamboarana ireo lalam-pirenena

Nandritra ny fandraisam-pitenenany dia nilaza ny Praiminisitra, Ntsay Christian, fa efa nisokatra ny antso tolo-barotra ho an’ny fanamboarana ny lalam-pirenena faha-6, izay mampitohy an'Ambanja amin'Ambondromamy. Ny ampahan-dalana mampitohy an’Antsiranana sy Ambanja kosa dia tombanana ho vita amin'io taona 2025 ho avy io. Ny lalam-pirenena RN5a mampitohy an’Ambilobe amin’i Vohemar moa dia efa vita soa aman-tsara.

Manatrika ny fanombohana izao Andro Iraisam-pirenena ho an’ny Faritra, izay tontosaina any Antsiranana izao, ny minisitry ny Indostria sy ny Varotra, ny minisitry ny Asa Vaventy, ny minisitry ny Fizahantany sy ny Asa-tanana ary koa ny Masoivohon’i Inde eto Madagasikara. Mandritra ireo telo andro hanatanterahana ny hetsika dia hisy ny loabary an-dasy sy fifanakalozan-kevitra, izay handraisan’ireo mpandraharaha isan-tsokajiny anjara. Misy ihany koa ny trano heva miisa 100, izay mampiranty ireo vokatra sy tolotr’ireo mpandraharaha ara-toekarena sy fikambanana ary tetikasa samy hafa, eo anoloan’ny Lapan'ny tanàna sy manoloana ny Place Foch.

Lire la suite

Articles Similaires