• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Jeune Afrique
Image
Vaovao

Toetr’andro : Vinavinaina tsy hisy orana eto Analamanga raha tsy aorian’ny krismasy

20/12/2024 15:14 © Moov

Anaty hafanana no hankalazan’ny mponin’Antananarivo ny fetin’ny Noely. Raha ny vinavinan’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro mantsy dia mety tsy hisy orana indray raha tsy aorian’io fety voalohany io.

Hafana hatrany ny andro

Toy ny tamin’ity herinandro ity, izay nahatratra hatramin’ny 33°C ny mari-pana teto Antananarivo. Mbola hananontanona izany hafanam-be izany ihany koa ny amin’ny herinandro miditra io izay herinandron’ny fetin’ny Noely. Nanamarika ny lehiben’ny sampan-draharaha mpamantatra ny toetr’andro eto Analamanga fa hamafisin’izy ireo izany tranga izany, indrindra ho an’Antananarivo manokana. Araka izany, efa miomana sahady amin’ny fety anaty hafanana ny mponina. Etsy ankilany ihany koa dia mety ho toy izany ihany koa ireo renivohi-paritany hafa rehetra. Amin’izao fotoana izao dia mbola tsy misy rivo-doza hatahorana hiforona manodidina an’i Madagasikara. Izay manamafy fa ho maina ny andro mandritra ny fetin’ny Noely. Samy efa tokony hiomana amin’izany, araka izany ny rehetra.

Miandry orana amin’ny faran’ny herinandro ho avy io

Manoloana izay toetr’andro ho maina izay dia miandry orana kosa ny Sampana mpamantatra ny toetr’andro any amin’ny faran’ny herinandron’ny fety any. Izany hoe, mety hisy orana manomboka ny 27, 28, 29 desambra izao. « Isan’ny ilaina ihany koa anefa io orana io mba hahafahana mahita ny fahatrarana ny vinavina amin’ny habetsaky ny rotsak’orana tamin’ity taona ity. Nahitana fidinana mantsy ny rotsak’orana kanefa ilain’ny mpamboly izany », hoy hatrany ny fanazavana. Nanamarika ihany kosa anefa izy ireo fa mbola tsy tara ny mpamboly raha izay vao hanomboka. Tetsy ankilany kosa, mifanohitra amin’izany rotsak’orana izany ny mari-pana ho an’ity taona ity, satria nifanaraka ny fisehon-javatra sy ny tombana tany aloha.

Lire la suite

Articles Similaires