• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mae
Image
Vaovao

Amoron'i Mania : Mitohy ny asa tanamaro hisorohana ny tondradrano

20/12/2024 11:47 © Moov

Ao anatin'ny vanim-potoanan'ny fahavaratra isika izao, na dia tsy nisitraka ranon'orana firy aza hatreto. Izany indrindra no hanatanterahana fiomanana isankarazany hisorohana ny tondradrano.

Manimba ny fotodrafitr'asa maro sy ny voly ny tondradrano. Ho an'ny kaominina Ambondromisotra manokana, any amin'ny distrikan'Ambatofinandrahana, atokana ho an'ny fanadiovana ny asa tanamaro. Efa herinandro maromaro no niomanana amin'ny vanim-potoan'ny fahavaratra.

Fanadiovana lakandrano

Lakandrano mirefy 6 km tao amin'ny lemaka Bemaha no voadio tamin'ny alalan'ny asatanamaro. Mponina miisa 175 no nanatanteraka izany, nandritra ny 2 volana. Notanterahina ny 17 Desambra kosa ny fandraisana ny asa vita. Ny tanjon' ny fanatsarana sy fanadiovana ny lakandrano ny hisorohana ny tondradrano ka hahafahan'ny mpamokatra mamboly vary in-2 ao anatin'ny taom-pamokarana iray.
Asa notanterahin'ny fandaharanasa DEFIS izay eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy vatsian'ny FIDA vola, ary niarahana niasa tamin'ny OIT no nahafahana nanao izany.
Tonga nanatanteraka ny fandraisana ny asa tamin’ny fomba ofisialy ny Mpandrindra Nasionaly ny fandaharanasa DEFIS, ny Talen'ny Fotodrafitrasa sy Fampandrosoana eo anivon'ny Faritra, ny Talem-paritry ny Fambolena sy ny Fiompiana Amoron'i Mania sy ny Mpiara-miasa aminy, ny Mpandrindra iraisam-paritry ny DEFIS Fianarantsoa sy ny ekipany, ny Solontenan'Andriamatoa Solombavambahoakan'ny Distrika Ambatofinandrahana, ny avy amin'ny Kaominina Ambondromisotra, ny ekipan'ny OIT sy ny Tranoben'ny Tantsaha ary ny mpahazo tombontsoa.

Lire la suite

Articles Similaires