Fifidianana Ben’ny Tanàna : Lany vonjimaika amin’ny salan’isa 43,24% i Harilala Ramanantsoa
Nivoaka androany ny vokatra vonjimaika tamin’ny fifidianana Ben’ny Tanàna notontosaina ny 11 desambra lasa teo, ho an’Antananarivo. Harilala Ramanantsoa, kandida natolotry ny IRMAR (Isika Rehetra Miaraka Amin’i Andry Rajoelina) no mitarika.
Nandresy ny kandidan'ny IRMAR
Araka ity valim-pifidianana vonjimaika navoakan’ny rafitra manokana mpikirakira sy mpamoaka ny voka-pifidianana (SPATREC) androany ity, dia vato miisa 106 643 no azon’i Harilala Ramanatsoa, izay manome salan'isa 43,24%. Manaraka azy eo ny kandidà natolotry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), Tojo Ravalomanana, izay nahazo vato 89 374 isa, izany hoe : 36,24%, raha ny salan’isa.
Eo amin’ny laharana fahatelo no misy an’i Tahina Razafinjoelina, kandinda natolotry ny antoko Tia Tanindrazana, izay manana salan’isa 11,99%, izany hoe : vato miisa 29 568. Manaraka azy i Ogascar Fenosoa Mandrindrarivony, kandidan'ny Mouvement Gasikara, eo amin’ny laharana fahefatra, nahazo vato 13 536 na 5,49%. Joseph Martin Randriamampionona, antsoina ihany koa hoe Dadafara, no nahazo vonjimaika ny laharana faha-5, amin’ny salan’isa 1,59% , izany hoe : vato 3 926 isa. Mamarana ity voka-pifidianana vonjimaika ity ireo kandida tsy miankina roa lahy, dia i Ndriana Razanamasy, nahazo salan’isam-bato 0,89%, na vato 2 197 isa, sy i Monja Roindefo, nahazo vato 1 390 isa, na 0,56%.
Renivohi-paritany hafa
Raha ny ampaham-bokatra nalefan'ny CENI teo amin'ny pejiny Facebook, saika lasan'ny IRMAR avokoa ny fandresena ho an'ny renivohiparitany 6 eto Madagasikara, afa-tsy ny ao Antsiranana. Ho an’ny Faritanin'Antsiranana sy Mahajanga dia rahampitso 21 desambra no hamoahan’ny SPATREC ny valim-pifidianana Ben’ny tanàna Vonjimaika, ary ny 23 desambra kosa izany, ho an'ny Faritanin'i Toliara sy Fianarantsoa ary Toamasina. Araka ny nambaran'ny filohan'ny CENI, ny 24 desambra farafahatarany no hivoaka ny vokatra vonjimaika manerana ny Nosy.