25 desambra 2024 : Hankafy ny « face à face » hifanandrinan’i Dadi Love sy i Lico Kininike i Toamasina
Hiavaka ihany koa ny fetin’ny krismasy ho an’ny tanànan’i Toamasina amin’ity taona ity. Mikarakara hetsika « face à face » hifampikatrohan’i mpanakanto Dadi Love sy i Lico Kininike, ny mpikarakara hetsika, Live Prod ny 25 desambra izao. Hiarahan’izy ireo miasa amin’ny Yas Madagasikara izany lanonana izany.
Ora fito tsy an-kiato
Hanakoakoa ny hira « haiko lalana mody » sy ny « soranaka piblieo » an’i Dadi Love mandritra io hetsika io. Etsy an-kilany ihany koa ireo hira izay hahafantarana ity mpanjakan’ny kininika ity, dia i Lico Kininike izany. Raha ny fanazavana dia haharitra ora fito be izao ny fampisehoana izay hiarahana amin’izy roa lahy ireto. Hira, dihy, ary ambiansy mafana no hatolotr’izy ireo mandritra izany. Efa mampiavaka ireto mpanakanto roa ireto rahateo izany hira mampihetsiketsika izany ka hahazo ny anjarany ny mpifety ao Toamasina amin’ity fotoana ity. Anatin’ny vanim-potoan’ny fety rahateo amin’izao fotoana izao ka isan’ny afaka hiainana izany am-pifaliana ity « face à face » ity. Hotanterahina ao amin’ny Stella Maris, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany amin’ny vidim-pidirana 7 000 ariary io hetsika io.
Olona miisa 20 000 no andrasana
Fety goavana hatolotry ny Live Prod ho an’ny vahoakan’i Toamasina ity karakarain’izy ireo ity. Araka izany, miisa hatramin’ny 20 000 ny olona andrasan’izy ireo ao anatin’ity andro iray ity. Tafiditra ao avokoa ny sarangan’olona sy ny taona rehetra. Etsy ankilany dia isan’ny mpanakanto be mpankafy amin’izao fotoana izao izy ireo. Indrindra ny tanora sy ny ankizy. Ny Live Prod rahateo efa vonona amin’ny fanamafisam-peo raitra hahafahan’ireo mpankafy mianoka ny hira sy ny seho rehetra. « Hoentinay amin’ny fikarakarana ny face à face ny fahaizana samihafa izay hananan’ny mpikambana rehetra », hoy izy ireo nanazava. Nanamarika izy ireo, araka izany, fa tsy hisy ho very anjara ny rehetra, ireo olona miisa 20 000 ireo.