Famatsiana : Heverina hiasa ny volana 2028 ny tobim-pamokarana herinaratra azo avy amin’ny rian-drano eny Ranomafana
Napetraka androany, 19 desambra ny vato fototra hananganana ny tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rian-drano ao Ranomafana, Distrikan’Ankazobe. Raha ny fanamarihan’ny Filoham-pirenena izay nanokatra izany asa izany dia heverina hiasa amin’ny volana jona 2028 io toby io.
Hamokatra 64MW
Tanjona amin’ny fampiasana ity herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina ity ny hampihenana ny fampiasana solika izay miteraka fatiantoka ho an’ny orinasa JIRAMA. Hampihenana ny fampisana solika mavesatra hatrany amin’ny 73 tapitrisa litatra isan-taona mantsy ity tetikasa lehibe ity, raha ny fanazavana. Rehefa vita mantsy ity toerana lehibe mpamokatra herinaratra vaovao ity heverina hanampy hatramin’ny 64 Megawatt ho an’ny tambazotra iraisan’Antananarivo izany. « Hameno hatramin’ny 25% amin’ny herinaratra ilaina eto Antananarivo sy ny manodidina ity fotodrafitrasa vao hamboarina ity rehefa miasa », hoy hatrany ny Filoham-pirenena. Tsara ny manamarika fa efa tsy azo ihodivirana intsony ny fitrandrahana ny angovo azo havaozina ankehitriny. Hialana amin’ireo fatiantoka amin’ny fampiasana solika izany ka hahafahana mikarakara ny fitaovana araka ny tokony ho izy.
Lelavola mitentina 240 tapitrisa dolara
Vola mitentina hatramin’ny 240 tapitrisa dolara no entina hanatanterahana ity asa ity. Ny orinasa sinoa Synohydro kosa no hiandraikitra azy ary haharitra efa-taona ny fanatanterahana azy. Raha ny momba ny famatsiam-bola, dia fampindramam-bola avy amin'ny banky sinoa, EximBank, nosoniavina tamin'ny 2023 io hampiasaina io. Hiorina amin'ny fotodrafitrasa lehibe mihoatra ny 300 metatra ny haavony ary 20 metatra ny halavany ny toby, hoy i Olivier. Jean-Baptiste, minisitry ny angovo sy ny akoran’afo. Ity farany ity ihany koa izay mbola nanamafy fa mbola maro ireo fotodrafitrasa mikasika ny angovo, izay mbola ho aorina.