• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Goverinora Atsimo Atsinanana
Image
Vaovao

Atsimo Atsinanana : Misy firehetana niniana natao ao amin’ny valanjavaboahary Manombo

19/12/2024 14:52 © Moov.Mg

Nisy afo niniana narehitra ao amin’ny valanjavaboahary Manombo, ao amin’ny Distrikan’i Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana, araka ny fampitam-baovaon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD). Mbola tsy maty ny afo, hatramin’ny fotoana nanoratana, androany 19 desambra 2024.

Afo miisa 5 nitsitokotoko

Raha ny nambaran’ny avy eo anivon’ny Madagascar National Parks, dia nanomboka omaly 18 desambra, tamin’ny 3 ora tolakandro, no tsikaritra ny firehetana tao amin’ny faritra atsimon’ny valanjavaboahary, akaikin'ny tananan'i Manombo. Voafehy izany afo izany ny alina, rehefa nifandrimbonan’ny solontenam-pokonolona, notarihin’ny Sefo Fokontany avy ao Manombo, ny mpiara mitantana ny ala, ary ny ekipan’ny Madagasikara National Parks, ny famonoana azy.
Androany, nanomboka tamin’ny 4 ora maraina indray anefa, dia nisy afo miisa 5 nitsitokotoko niara-nirehitra. Efa mifanome tanana amin’ny famonona afo ny herivelona rehetra, izay tarihin’ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana mpisolo toerana, Rajaobelina Gérard, ny Prefen' i Farafangana, Reminantenaina Herman, ny Talem-paritry ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovain-jafy Atsimo Atsinanana, Kofoky Amyot, sy ny ekipan’ny Madagascar National Parks, miaraka amin’ireo mponina manodidina ny faritra arovana, tarihin’ny sefo Fokontany. Manampy amin’ny famonoana ny afo ihany koa ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena, ny polisy, ny miaramila ary ny sampana mpamonjy voina avy ao Farafangana. Maherin’ny 250 isa ireo izay mifandrimbona amin’izany famonoana ny afo ao amin'ny valanjavaboaharin'i Manombo izany, hoy ny fampitam-baovao.

Ala atsinanana

Raha ny ambaran’ny avy eo anivon’ny fitantanana ny Faritra Atsimo Atsinanana, dia mampananosarotra ny famonoana ny afo ny rivotra mifofofofo sy ny orana tsy mirotsaka mihitsy. Na izany aza, efa mandray ny fepetra rehetra izay hifehezana ny afo faran’izay haingana ny eo anivon’ny Madagascar National Parks sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, eo ambany fitantanan’ny MEDD. Raha ny fampitam-baovao azo hatreto dia afo niniana natao izao mandrotika ny valanjavaboaharin’i Manombo izao. Ao amin’ity faritra arovana ity anefa dia ahitana ala atsinanana, ao no fonenan'ny varika misy fito karazana, misy zava-maniry tsy fahita afa-tsy eto Madagasikara miisa 288 karazana, raha tsy hitanisa afa-tsy ireo. Araka izany, tsy maintsy hampiharina amin’ireo tompon’antoka amin’izao firehetana izao ny sazy mifandraika amin’izany, hoy ny avy eo anivon’ny MEDD.

Lire la suite

Articles Similaires