• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Ci
Image
Vaovao

Tandavanala Ambositra Vondrozo : Efa mihena ny tahan’ny fahapotehan’ny ala

18/12/2024 16:18 © Moov.Mg

Efa nihena ny tahan’ny fahapotehan’ny ala any amin’ny Tandavanala Ambositra Vondrozo (COFAV), araka ny nambaran’ireo mpisehatra ara-tontolo iainana any amin’ny Faritra 6 ivelaran’izany. Eo am-pamolavolana ny drafitrasa fiarovana ny COFAV, ho an’ny taona 2025 ankehitriny, ireo mpiara-miombona antoka rehetra.

Efa tonga saina ny mponina

Mitana anjara toerana goavana, amin’ilay antsoina hoe : « Ala Atsinanana » ny Tandavanala Ambositra Vondrozo. Manodidina ny 314 186 ha ny velarany, 300 km ny lavany ary 2km hatramin’ny 50 km ny sakany. Faritra miisa 6 eto Madagasikara no ivelaran’izany tandavanala izany, dia i Matsiatra Ambony, Vatovavy, Fitovinany, Ihorombe, Amoron'i Mania, ary Atsimo-Atsinanana.

Araka ny fanazavan-dRabetrena Rado, talen’ny COFAV, dia efa nahitam-pihenana ny famotehana ala ao anatin’io tandavanala io, tao anatin’ny taona vitsy izao. Raha nihoatra ny 3% isan-taona ny tahan’izany fahapotehan’ny ala izany, dia efa latsaky ny 1% isan-taona ny tahan’ny ala simba amin’izao fotoana, araka ny nambarany. Mbola mitohy hatrany kosa ny fanarenana izay efa simba.

Nohamasifin’ny avy eo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy ao Mahatsiatra Ambony, fa mihatonga saina ny amin’ny maha-manan-danja ny ala, ny mponina. Efa betsaka ireo olona miezaka mamono ny afo rehefa mitranga izany, hoy ny fanazavana, ary ezahina ihany koa ny fanarenana ny ala, amin'ny alalan'ny fambolen-kazo. 4.000 ha no velaran-tanyezahina hotratrarina amin’ity taom-pambolen-kazo 2024-2025, ho an’ny DREDD Mahatsiatra Ambony.

Fikorontanan'ny toetr’andro

Isan’ny mpiara-miombona antoka lehibe amin’ny fiarovana ny COFAV ny Conservation International (CI). Misy ny atrikasa tanterahina any Ambalavao Fianarantsoa, izay hanoloran’ny CI ny volavolan’ny drafitr’asa fiarovana ny Tandavanala Ambositra Vondrozoho an’ny taona 2025, izay hangatahana ny fankatoavan’ireo mpiara-miombona antoka rehetra amin’izany asa fiarovana izany.

Tanjona ny hanafoanana ireo karazana tsindry manimba ny ala, satria maro loatra ny fatiantoka vokatr’izany. Isan’izany ny fikorontanan’ny toetr’andro sy ny fikaohan’ny ranon’orana mivatravatra ny nofontany mihanjahanja. Tombanana ho ny 12% hatramin'ny 15 %-n'ny entona mangeja hafanana, izay mivangongo isan-taona eny amin'ny habakabaka, no vokatry ny fahapotehan'ny ala. Araka izany, ny fiarovana ny ala sisa tavela sy ny fanarenana ny ala simba no vahaolana hanalefahana ny fikorontanan'ny toetr’andro sy ny fiantraikan’izany.

Lire la suite

Articles Similaires