Atsimo atsinanana : Mitsidika ny asa vita avy amin’ny tohana nomen’i Japana ny UNICEF sy ny Masoivoho japoney
Mitsidika ny Faritra Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinana, amin’izao fotoana izao, ny Ambasadaoron’i Japana eto Madagasikara, Abe Koji, sy ny Solontena maharitry ny UNICEF eto amintsika, Christine Jaulmes. Tanjon’izao fidinana ifotony izao ny fijerena ireo asa vita, vokatry ny famatsiam-bola avy amin’ny firenena Japoney.
Tohana mahakasika sehatra maro
Nanolotra tohana ara-bola ho an’ny Tahirin’ny Firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF), mitentina 1,7 tapitrisa dolara i Japana, tamin’ny taona 2023, ho fanampin’ireo tohana efa nomeny. Nentina nanatanterahana asa mifandraika amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo, ny fahasalamana, ny rano, ny fidiovana sy ny fanadiovana izany famatsiam-bola izany.
Amin’ny ankapobeny dia ny governemanta Japoney no isan’ny mpamatsy vola lehibe indrindra ho an’ny UNICEF. Miompana amin’ny sehatra maro ny tohana omeny, toy ny fanatsarana ny fiainan’ny ankizy, indrindra ireo monina any amin’ny tapany Atsimon’i Madagasikara, izay tena ianjadian’ny hain-tany ; ny fanampiana eo amin’ny sehatry ny rano, fahadiovana, fidiovana ; ny fanomezana tosika ny fandraisana an-tanana ny aretina mpahazo ny zaza, toy ny pnemonia, ny fivalanana sy ny tazomoka ; ny fanamafisana ny rafitry ny fahasalamana…
Fotodrafitrasa momba ny rano
Amin’izao fitsidihana ny tapany Atsimo Atsinanan’i Madagasikara izao, izay nanomboka omaly 17 desambra 2024 ka hitohy hatramin’ny rahampitso 19 desambra, dia anisan’ireo toerana notsidihin’ny masoivohon’i Japana sy ny Solontena maharitry ny UNICEF, ny tobim-pahasalamana ambaratonga faharoa (CSB II) tao Soamanova sy Ampasimalemy ary ny faritr’i Mavogisa, izay nanatanterahana ireo asa entina hanatsarana ny fari-piainan'ny vondrom-piarahamonina ifotony. Nisy ihany koa ny fitokanana ny fampiakaran-drano vaovao, notontosaina tamin’ny andron’ny omaly, izay inoana fa hitondra tombontsoa mivantana ho an'ireo mponina any an-toerana. Tanjon’ity fitsidihana ity rahateo ny fanehoana ny voka-tsoa entin’ny fanatsarana ny fidiovana sy ny fanadiovana ary ny fanabeazana eo amin’ny vondrom-piarahamonina ifotony.