• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Midi Madagasikara
Image
Vaovao

Fanomanana ny fety : Tsy misy ny lelavola efa nomanin’ny isan-tokantrano hanatanterahana ny fety

18/12/2024 15:28 © Moov

Tafiditra tanteraka amin’ny fanomanana ny fetin’ny Noely sy ny taom-baovao ny olona amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany dia maro ireo tokantrano no tsy nanomana lelavola entina hanatanterahana izany ; na dia herinandro aza sisa dia tonga io fotoana io.

Misy ireo tsy niomana fa miaina amin’ny zava-misy

Isan’ny fety ankafizin’ny olona indrindra ireto fety roa ireto ao anatin’ny taona. Fotoana lehibe rahateo ho an’ny kristianina ny Noely ary fety manan-danja ny fahatrarana ny taona vaovao. Manoloana ny fidangan’ny vidim-piainana amin’izao fotoana izao anefa dia maro ireo tokantrano no hiaina amin’ny zava-misy fa tsy niomana loatra. « Tsy manana vola napetraka manokana hanaovana fety fa hanova kely amin’ny sakafo fotsiny. Kanefa rehefa tena tsy misy dia vary sy laoka fotsiny ihany no entina hankalazana izany », hoy ity renim-pianakaviana iray. Tsy ny renim-pianakviana irery ihany anefa no manana izany eritreritra izany fa na ireo raim-pianakaviana ihany koa aza. « Na dia te hampifaly ny ankizy aza dia hita ihany hoe tsy manana fahafahana betsaka ka tsy maintsy izay kely eo no ampiasaina. Ny sakafo kosa anefa no tena mety hasiam-panovana kely », hoy i Thierry Rakotondramanana, raim-pianakaviana. Isan’ny tena antony nandraisan’izy ireo izany fanapahan-kevitra izany ny fitsinjovana ny maitso ahitra amin’ny volana janoary ka tsy afaka hanaovana fandaniana midangana be. Etsy ankilany kosa anefa dia efa niomana amin’ny fividianana akanjo sy kilalao ho an’ny ankizy ireo Ray aman-dReny sasan-tsasany.

Misy ireo efa niomana efa ela

« Mety manodidina ny 50 000 ariary eo ho eo no ho lanianay amin’ny sakafo fotsiny satria efa niomana efa ela tamin’ity fety ity », hoy ity renim-pianakaviana hafa. Olona telo izy ireo no hiaraka hanao izany fety izany ary toy io ihany koa no ho laniana amin’ny fetin’ny taona vaovao. Nanamarika anefa ny tenany fa efa niomanana efa ela izany. « Na dia lafo aza ny vidim-piainana dia ny fahaizana mandamina sy fiatrehana ny fiainana no tena zava-dehibe », hoy hatrany izy. Etsy andaniny dia samy manana ny fidiram-bolany ihany koa ny tokan-trano tsirairay ka samy manana izay fomba fandaminany azy.
Amin’izao fotoana izao kosa dia efa hita mirantiranty manerana ny tsena ny haingon-trano sy ny akanjo. Efa maro ihany koa ireo mpivarotra biby fiompy afaka hatao laoka ; toy ny akoho sy ny vorona.

Lire la suite

Articles Similaires