• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio Sifaka
Image
Vaovao

Tranon’ny mpianatra Ankatso : Manao antso avo amin’ny baranahany eny an-toerana ireo mpianatra

18/12/2024 14:20 © Moov

Miverina manao antso avo indray ireo mpianatra mipetraka amin’ny Cité Universitaire eny Ankatso. Mitombo hatrany hoy izy ireo ny baranahany amin’ny fampisitrahana ireo trano ka lasa lesoka ho an’ireo tena tokony hisitraka izany. Niara-dia tamin’izany ireo Fikambanan’ny mpianatra avy amin’ny faritra maro.

Maherin’ny 50% ireo efa tsy mpianatra intsony

Efa an-taonany maro no nahitana ity karazan’olana ity ireto tranon’ny mpianatra eny Ankatso ireto. Isan’ny lehibe indrindra amin’izany ny fibodoan’ireo tsy mpianatra intsony ny efitrano sasany. Amin’izao fotoana izao, raha ny fitarainan’ireo mpianatra ireo dia maherin’ny 50% amin’ireo mipetraka eny no olona efa manam-bady sy miteraka avokoa. « Efa ela izay no nampitaraina ny ankizy ny eo anivon’ny BLOC 51. Olona iray efa tsy mpianatra eo Ankatso intsony izy kanefa mibodo efitrano miisa 3. Efa nisy ny fampiakarana ny raharaha kanefa tsy nisy tohiny izany », hoy i Razafimanga Thierry, Filohan’ny fikambanan’ny mpianatra avy any amin’ny faritra Fitovinany. Ireo « bloc » efa taloha no tena ahitana izany olana izany raha ny fanazavana hatrany. Mangataka ny fandraisana andraikitry ny CROUA na ny Centre Régional des Oeuvres Universitaires d'Antananarivo ireo mpianatra. Ireto farany izay sampana ambony indrindra mpandrindra io tranon’ny mpianatra io. Mbola manahy ny momba io fandraisana andraikitry ny CROUA io ihany koa anefa ireo mpianatra sao baranahany ihany koa izany.

Hamafisina ny fanarahan-dalàna

Amin’izao fotoana izao dia mbola maro ny mpianatra tokony hiditra amin’ireny trano ireny. Isan’ny tsy fanarahan-dalàna anefa io fametrahana olona tsy mpianatra intsony io. Araka izany, miangavy ireto mpianatra ny amin’ny fampiharana ny lalàna. Raha tsiahivina dia misy ny fepetra takiana izay vao afaka mahazo trano ka tokony hihatra amin’ny rehetra izany. « Efa lasa tsy voahaja intsony ny lamina tany am-piandohana amin’izay tokony hisitraka ny trano. Fepetra manokana takiana hatramin’izay ny maha tena mpianatra, ny tsy fananana Ray aman-dReny hipetrahana aty, ary ny tokony hananana fitondran-tena mendrika sy naoty tsara », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany dia mbola mangataka ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ihany koa ireo mpianatra eny.

Lire la suite

Articles Similaires