• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgbf
Image
Vaovao

Mpiasam-panjakana : Misokatra ny Ivon-toerana fanonerana saram-pitsaboana ireo mpiasam-panjakana misotro ronono eo Ankazomanga

18/12/2024 11:28 © Moov

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny Ivon-toeram-pikarakarana fanonerana saram-pitsaboana an’ireo mpiasam-panjakana misotro ronono (CTRFMP) Ankazomanga.

Ho hatsaraina ny tolotra isan-karazany

CTRFMP faharoa eto Analamanga ity nosokafana ity taorian’ny eny Ambohidahy. Raha efa niasa hatramin’ny volana jolay ity eto Ankazomanga ity dia nandray olona telopolo (30) hatramin’ny dimy amby telopolo (35) isan’andro teo ho eo. Etsy andaniny anefa dia mahatratra roanjato (200) hatramin’ny efajato (400) olona isan’andro no isan’ireo olona raisina ao amin’ny CTRFMP Ambohidahy. Araka izany, isan’ny vina vaovao amin’izao fanokafana ny birao faharoa amin’ny fomba ofisialy izao ny fanatsarana ny tolotra. Hitombo ny olona horaisina ary hihatsara ihany koa ny fomba fandraisana azy ireo ; raha ny fanamby napetraka. Nanamarika ny avy ao amin’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola (SRB) Analamanga fa hisy izay fanatsarana izay avokoa ireo birao roa, ny etsy Ambohidahy sy ny eny Ankazomanga vaovao io.

Fanatsarana ny asam-panjakana

Isan’ny tanjona tamin’ny fampitomboana ny birao handraisana ireo olona misotro ronono ireo ny fanavaozana ny rafi-pitantanana ny asam-panjakana sy ny ady amin’ny kolikoly ary ny fijerena ny fampandrosoana ny maha olona. Ireo rehetra ireo ihany koa izay tafiditra indrindra ao anatin’ny drafi-pandaharan’asan’ny SRB Analamanga ho an’ny taom-piasana 2024. Araka izany, hahazo tombony betsaka amin’izany ireo be antitra, mpiasam-panjakana teo aloha. Afaka hisitraka ny zony araka ny tokony ho izy sy am-pilaminana. Misokatra isan’andro ny CTRFMP Ankazomanga sy Ambohidahy. Raha hanao VISA dia manomboka amin’ny 08 ora maraina hatramin’ny 04 ora tolakandro. Ny RFM eny Ankazomanga kosa dia mivoha 08 ora maraina hatramin’ny 01 ora atoandro raha amin’ny 12 ora atoandro hatramin’ny 04 ora tolakandro kosa ny eny Ambohidahy.
Tsara ny manamarika fa teo ambany fiahian’ny Tale Jeneralin’ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola mpisolo toerana ny lanonana. Notarihan’ny Lehiben’ny Sampandraharaham-paritry ny Tetibola Analamanga, ary notronon’ireo Lehiben’ny Sampandraharaha isan-tsokajiny sy ny mpiara-miasa rehetra eny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires