• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Team Gasy
Image
Vaovao

Antananarivo : Miverina indray ny fahatapahan-jiro mifandimby, maharitra fotoana ela

18/12/2024 08:55 © Moov

" Mandeha vetivety dia tapaka kely iray minitra; miverina kely dia tapaka indray ary maharitra ora roa eo ho eo ny jiro aty aminay", hoy ity ramatoa iray monina etsy Ambodivona. Niverina ho toy izany indray no hiainan'ny mponin'Antananarivo amin'izao fotoana. Namerina nanao fanambarana rahateo indray ny orinasa Jirama fa hisy ny fahatapahan-jiro mifandimby.

Nangingina ny fitarainana

Naharitra teo ho eo amin'ny volana iray teo ny fihenan'ny fahatapahan-jiro. Raha tsiahivina dia ny Filoham-pirenena no nanome baiko ny Ministeran'ny angovo sy ny akoran'afo ny amin'ny fampihenana izany. Nanomboka teo dia nanelanelana ny amin'ny 10 ora alina hatramin'ny 5 ora maraina ny fahatapahan-jiro. Niezaka nitazona izay fepetra izay ny Jirama na dia nisy aza ny lesoka. Nandritra izany dia azo lazaina ho nihena ny fitarainana. Etsy ankilany anefa dia mbola manahirana ireo mponina hatrany izy io. Amin'izao fiverenan'ny fahatapahan-jiro izao indray araka izany dia hatahorana ny mety hisian'ny fihoaram-pefy. Mifandray amin'izany mantsy dia mihena ihany koa ny fidiram-bolan'ireo izay tena miankina betsaka amin'io herinaratra io. Akaiky rahateo ny fety ka vao mainka hampitombo ny fahatezeran'ireo mpandraharaha ny trangan-javatra tahaka izao. Manamafy hatrany izany fa efa fahamaikana ny mikasika ny fikaroham-bahaolana maharitra momba ity olana ity.

Olana ara-teknika

Isan'ny manamarika hatrany ny fanambaran'ny orinasa Jirama, ka mahatonga ny fahatapahana ny olana ara-teknika. Ho an'io olana amin'izao fotoana izao io dia voalaza fa mihiba dia mihiba ny haavon'ireo tohodrano mpamokatra herinaratra ka mahatonga ny tsy fahampian'ny vokatra tsinjaraina eto amin'ny tambazotra iraisan'Antananarivo. Noho izany, maharitra ora iray sy sasany ny fanapahana mifandimby ho tanterahina. Manoloana izany fanambarana izany anefa dia tsy manaraka azy akory ny fisehony izay hiainan'ny mponin'Antananarivo. Raha ny fanambarana mantsy dia hiaina izany, amin’ny ora mizarazara ny mponina manomboka amin’ny 1 ora sy sasany hatramin’ny 6 ora eo ho eo kanefa misy ireo mbola mihoatra izany ora roa izany.

Lire la suite

Articles Similaires