• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Chido : Hikasika ny morontsiraka avaratr'i Madagasikara ny zoma 13 desambra

11/12/2024 06:15 © Moov

Mitombina hatreto ny vinavinan'ny mpamantatra ny toetry ny andro tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity. Hahakasika ny faritra Avaratry ny Nosy ny rivodoza Chido, afaka andro roa.

Hikasika ny morontsiraka avaratr'i Madagasikara ny rivodoza CHIDO ny marainan'ny zoma 13 desambra. Omaly 10 desambra tamin'ny 3 ora tolakandro, tany 1203 Km Atsinanana somary avaratra atsinanan’Antsiranana I no nisy ny foibeny. 100 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 140 Km/ora. Somary nitombo izany ny tanjany. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15 Km/ora.

Rivodoza manambana an'i Madagasikara

Raha ny tomban'ny sampana mpamantatra ny toetr'andro eto Madagasikara, mbola hitombo hery hatrany i CHIDO ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika rahampitso alakamisy. Araka ny vinavina hatrany dia manambana mivantana ny tapany Avaratry ny Nosy ity rivodoza ity ny Zoma 13 Desambra ho avy izao amin’ny tanjaka Cyclone Tropical.

Fampiomanana sy fampitandremana

Manoloana izany dia iangaviana ny mponina amin’ny faritra Diana sy Sava, ny Distrikan’ny Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny ary Analalava mba hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana miloko maitso. Nitombo izany ny faritra voakasiky ny fampitandremana. Iangaviana ihany koa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap d’Ambre sy Sainte Marie.
Tsaratsara kokoa raha hahemotra ny fivezivezena an-dranomasina any amin'ny tapany atsinanana sy avaratra hatramin'ny faran'ity herinandro ity, mba hisorohana ny loza. Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires