• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Sma
Image
Vaovao

Antananarivo: Hatomboka eny amin'ny fokontany Mahazoarivo ny tetikasa fakana fako ifotony

05/12/2024 11:45 © Moov

Fanamafisana ny fanadiovana ny tanànan'Antananarivo. Natomboka tamin'ny fomba ofisialy omaly tao amin’ny Caserne EP1 Mahazoarivo ny tetikasa fakana fako ifotony tanterahin'ny Société Municipale d'Assainissement. Ity Fokontany Mahazoarivo ity ihany koa no hisitraka izany voalohany. Sady mpisitraka voalohany no natao ho fanandramana ny fihetezan'ny tetikasa ny eny an-toerana.

Hanavahana sy hanamorana ny fanodinana fako

Goavana ity tetikasa ity raha ho an'ny tanànan'Antananarivo manokana. Isan'ny toerana mamokatra fako amin'ny taonina isan'andro mantsy ny Renivohitr'i Madagasikara ity ka manano sarotra ny manangona izany. Araka izany, ilaina amin'izao fotoana izao ny fanangonana sy ny fanavahana ary ny fanodinana ireny. Tanjon'ity tetikasa ity rahateo izany. Ho alaina eny amin'ny mponina ny fakony ary hifanindra-dalana amin'izany ny fampianarana azy ireo tsikelikely amin'ny fanavahana azy. Rehefa izany dia ho mora kokoa ny manodina ireo fako mbola azo haverina ho ampiasaina toy ny plastika. Etsy ankilany dia hiavaka ny fako afaka havadika ho zezika ampiasain'ny tantsaha mpamboly. Manomboka eto izany dia hiroso amin'ny fanatsarana be be kokoa ny fitantanana ny fako ny orinasa koa manentana hatrany ny mponina eto an-drenivohitra izy ireo mba hifanolo-tànana hikoja ny renivohitra.

Fiaraha-miasa stratejika

Tetikasa iarahana mivantana amin'ny WWF ary nifanohanan'ireo Mpiara-miombon'antoka samihafa ity tanterahina ity. Ao anatin'izany ny GRET (projet Lalankely), WSUP (Projet USF) ary ny JICA (Projet GESDA @ fitaterana ny fako). Fiaraha-miasa lehibe izay samy hitondran'izy ireo ny fahaiza-manaony avokoa hahafahana mahazo vokatra tsara amin'ny fanadiovana ny tanàna. Etsy andaniny dia samy vonona ny hanefa ny andraikiny ny rehetra. Tonga nanome voninahitra ny fotoana araka izany ny lehiben'ny Distrika Antananarivo faharoa, ny Delegué Boriborintany faharoa, ny Tale ny Tetikasa eo anivon'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, ny Adjoint Chef d'escadron de la Caserne EP1 Mahazoarivo, ireo mpiara-miombon'antoka sy mpiara-miasa akaikin'ny SMA sy ireo lehiben'ny Fokontany miara-miasa amin'ny fakana fako ifotony. Hanaovana andrana ihany aloha ity fokontany ity raha hitohy ho an'Antananarivo manontolo ny tetikasa. Tanjona amin'izany ny fampandrosoana ny tanàna iray manontolo.

Lire la suite

Articles Similaires