Fampianarana ambony : Hanamafy ny fifandraisany ny Oniversiten’i Fianarantsoa sy ny Oniversiten’i Mayotte
Nandray ny hetsika « ARMIES (Atelier de Recherche en Mathématiques, Informatique, Éducation et Sciences) andiany faharoa i Mayotte ny herinandro lasa teo. Fotoana lehibe ho fampiroboroboana ny fampianarana ambony eto amin’ny Ranomasim-be Indianina izany.
Nandray anjara ihany koa ny Malagasy tamin’ny alalan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa. Nanamarika ny fotoana ny fikarohana ny fomba hanamafisana ny fifandraisana eo amin’ny Oniversite roa tonta.
Fiaraha-miasa eo amin'i Fianarantsoa sy Mayotte
Anisan’ny nisongadina tamin’ity andiany ity ny resaka momba ny fametrahana fiaraha-miasa stratejika eo amin’ny oniversiten’i Fianarantsoa sy ny oniversiten’i Mayotte. Fiaraha-miasa izay mikendry ny hanamafisana ny fifanakalozana akademika na eo amin'ny mpampianatra na ny mpianatra. Tanjona ao anatin’izany ny hamolavola tetikasam-pikarohana hiombonana ho ampiasain’ny Oniversite roa tonta. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny fifanakalozam-pahalalana ary ho fampandrosoana ny faritra roa amin’ny alalan’ny fampianarana ambony. Isan’ny mety ho fomba fisehon’ny fiaraha-miasa ihany koa ny fifanakalozan'ny mpianatra sy ny mpikaroka. Izany dia mba hahafahan'ny mpianatra manana traikefa amin’ny fomba fampianarana sy fikarohana ataon'ireo oniversite roa. Ny talen’ny Oniversiten’i Mayotte Abal-Kassim'Cheik Ahamed, dia nanamafy ny maha-zava-dehibe ity vina ity. Nasongadiny tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fiaraha-miasa hanamafisana ny fifandraisana ara-tsiansa ato amin'ny faritra.
Mifantoka amin'ny fikarohana sy ny fifanakalozana
Ny tanjon'ny ARMIES rahateo moa dia ny hanohana ireo tanora mpikaroka amin'ny dingan'ny famoahana ny asa siantifika. Ny hetsika dia nanome sehatra handinihana, hiofanana ary hifanakalozana manodidina ny fanamby atrehana eo amin'ny sehatry ny matematika, ny informatika, ny fanabeazana ary ny siansa. Tafiditra ao anatin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny anjerimanontolo aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity hetsika ity. Ny fiaraha-miasa izay sehatra iray tena hiankinan’ny fampandrosoana ny fikarohana. Araka izany, tsy ny fiaraha-miasa amin’i Mayotte irery ihany no zava-dehibe fa ny manodidina ny oniversite eto amin’ny Ranomasim-be Indianina mihitsy. Noho izany ary dia any La Réunion indray no handraisana ny hetsika andiany faha-telo ny taona 2025.