• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Fifidianana Ben’ny tanàna : Hanetsika mpanara-maso amin’ny biraom-pifidianana 2.455 isa ny SAFIDY

04/12/2024 16:29 © Moov.Mg

Handray anjara amin’ny fanaraha-maso ny fifidianana kaominaly sy monisipaly hotanterahina ny 11 desambra 2024 izao ny Sampana Anaraha-Maso ny Fifidianana Ivon’ny Demokrasia Ifarimbonana (SAFIDY), toy ny efa nataony, tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena tamin’ny taona 2023 sy ny fifidianana Solombavambahoaka tamin’ny volana mey 2024.

Mpanara-maso mavitrika sy mahitsy

Araka ny fampahafantarana amin’ny fomba ofisialy nataon’ity vondron’ny fiarahamonim-pirenena ity, androany 4 desambra 2024, dia biraom-pifidianana miisa 2.455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasikara, no kasain’ny SAFIDY hametrahana olona hanara-maso. Araka ny fanazavana azo, dia nosafidiana arakaraky ny habetsaky ny mpifidy ao aminy, sy ny lanjany ara-stratejika mikasika ny fifidianana, ireo toerana hisy mpanara-mason’ny SAFIDY ireo. Isan’ny mason-tsivana ny fahavitrihana ara-politika sy ny fisian’ny mpanara-maso mavitrika sy mahitsy. Nanamafy ireo solon-tenan’ny mpikambana ao anatin’ity fiarahamonim-pirenena ity, fa fomba fiasa matotra sy mifanaraka amin’ny fahasamihafan’ireo karazam-pifidianana no hampihariny.

Fandrakofana ireo tranga rehetra

Miara-miasa amin’ny tetikasa MANEHOA/LEM, izay tarihin’ny Internews ary tanterahan’ny fivondronam# pikambanana maromaro, toy ny ONG Ilontsera sy ny ONG Communication Idea Development, ny SAFIDY amin’ity fifidianana kaominaly ity. Noho izany, isan’ny harahi-maso ihany koa ny haino vaky jery, mba hamantarana ny fanitsakitsahana ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety, ao anatin’ny fandrakofana ireo tranga rehetra manodidina ny fifidianana. Etsy an-daniny, harahi-maso manokana ny mety ho trangana fankahalana sy fanalam-baraka ary ny fanaparitahana vaovao tsy marina amin'ny tambajotra sosialy.

Ny SAFIDY moa dia rafitra mahaleo tena, manana fahaizana ara-teknika sy fandalinana manokana momba ny fanaraha-maso ny fifidianana. Ny fanangonana sy ny famakafakana ny antotam-bokatra rehetra sy ny zava-misy misongadina momba ny fanatanterahana ny fifidianana, no asa tanterahiny, arahin’ny famoahana ny voka-pikarohana nataony, miampy fanomezana tolo-kevitra ara-teknika. Manohana ara-bola sy ara-teknika ny SAFIDY ny Vondrona eoropeanina sy ny Vondron'ny tany miteny na mampiasa amin'ny ampahany ny teny frantsay (OIF).

Lire la suite

Articles Similaires