• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

COP29 - Ady amin’ny fihangazanana : Hanatanteraka tetikasa 2 eto Madagasikara ny G20 GLI

04/12/2024 15:13 © Moov.Mg

Mitarika ny delegasiônina malagasy, manatrika ny fihaonana an-tampony faha-16 momba ny ady amin’ny fihangazanan’ny tany (COP16) any Riyad Arabie Saoudite, ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Ny andro voalohan’ny fihaonana dia efa nisy ny vokatra azo, araka ny tatitra avy any an-toerana.

Tanterahina nanomboka ny 2 desambra lasa teo ary haharitra hatramin’ny 14 desambra 2024, ny COP16, karakarain’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny Ady amin’ny Fihangazanana (CNULCD). Rehefa miteny hoe : « fihangazanana », dia ireo tany maina kina no tonga ao an-tsaina avy hatrany. Efa endrika henjana indrindra amin’ny fihangazanana izany, fa dinihina ao anatin’ity COP16 ity avokoa rehefa karazan’olana rehetra mitarika mankany amin’ny fahasimban’ny tany sy ny nofon-tany.

Tetikasa fanarenana ny tany

Mandray anjara amin’ity COP16 ity i Madagasikara, amin’ny alalan’ny delegasiônina tarihin’ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina. Araka ny nambaran’ity farany, ny andro voalohan’ny COP16 izy dia efa nihaona tamin’ny Dr Muralee Thummarukudy, talen’ny G20 momba ny fanarenana ny tany simba (G20 Global Land Initiative). Tapaka tao anatin’ny resaka nifanaovan’ny roa tonta, fa hisy ireo fiaraha-miasa hanohanan’ny G20 GLI an’i Madagasikara. Isan’izany ny tetikasa fambolen-kazo an-tsekoly ho fanarenana ny ala, izay kasaina hotanterahina amin’ny sekoly iray isaky ny Distrika misy eto amintsika. Atomboka amin’ny tetikasa andrana aloha izany, ary hovelarina amin’ireo sekoly hafa, aorian’ny fahombiazany.
Hisy fiaraha-miasan’ny G20 GLI ihany koa, hotanterahina ao anatin’ny tetikasa Fihariana, izay hanohanana ireo mpandraharaha misehatra eo amin’ny fandraharahana maitso.

Haitaky sy paikady

Ankoatra izay dia nisy ny fihaonana teo amin’ny minisitra Fontaine Max Andonirina, tamin’ny sekretera mpanatanteraky ny CNULCD, Ibrahim Thiaw. Nandritra izany no nanazavany ireo lohahevitra ifantohan’ny haitakin’i Madagasikara mikasika ny tontolo iainana, sy namelabelarana ny momba ireo karazana tetikasa azon’i Madagasikara hiarahana manatanteraka amin’ny CNULCD. Nisy rahateo moa ny fandraisam-pitenenana nataon’ny minisitra, tao anatin’ireo hetsika maromaro efa notanterahina tany Riyad, ka nahafahany nanazava ny paikadin’i Madagasikara, indrindra ireo mifandraika amin’ny fananan-tany sy ny fifindra-monina. Araka ny nambaran’ny minisitra dia efa nisy ireo mpiara-miombon’antoka nilaza ny fanirian’izy ireo hanatanteraka tetikasa aty Madagasikara.

Raha fintinina dia fihaonana sy dinika maro no efa vitan’ny delegasiônina malagasy, tao anatin’izay roa andro nanombohan’ny COP16 izay, izay nahafahana naneho fa mandray andraikitra i Madagasikara ary mipetraka ho mpitarika ihany koa, ao anatin’ny hetsika iraisam-pirenena tahaka izao.

Lire la suite

Articles Similaires