• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Faritra Menabe
Image
Vaovao

Croix Rouge Malagasy : Hametraka tetikasa vaovao hanalefahana ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro ao Morondava

03/12/2024 08:57 © Moov

Morondava, isan’ny toerana iray miaina mafy ny fiantraikan’ny fiovaovan’ny toetr’andro. Izany indrindra no antony nametrahan’ny Croix Rouge Malagasy tetikasa vaovao any an-toerana. Nomena ny anarana hoe "tetikasa fiaraha-monina tsara fiomanana sy mihoatra manoloana ny loza voajanahary" izany.

Kaominina roa – olona marefo miisa 80 080

Ity ho an’ny faritra Menabe ity dia Kaominina roa no hanatanterahana ny tetikasa ; dia ny Kaominina ambonivohitra Morondava sy ny Kominina ambanivohitra Analaiva. fantatra ary tao aorian'ny fanadihadihana izay natao teny ifotony fa ny fokontany Tanambao, Ankisirasira Atsimo, Ampasy sy Avaradravo ny eto Morondava ary fokontany Antevamena sy Antsaribao kosa no ao Analaiva. Tsara ny manamarika fa ny Croix-Rouge Britanique sy ny fanjakana Britanique no mpanohana ity tetikasa ity izay tanterahina amin'ny alalan'ny sampan'asa FCDO ity. Olona marefo miisa 80 080 kosa no ezahina hampiana mba afaka hiatrika maharitra ny vokatrin'ny fiovaovan'ny toetr'andro mandritra izao tetikasa izao. Ao anatin’izany dia haharitra telo taona ny tetikasa.

Hahafahana miatrika ny fiovaovan’ny toetr’andro

Tetikasa izay hijerena manokana ny fomba mahomby mba hanalefahana sy hanampiana ireo vondron'olona marefo eny ifotony manoloana ny vokatrin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ny tetikasa. Tafiditra ao anatin’izany ny rivo-doza, tondran-drano, hain-trano, hain-tany, sy ireo maro hafa. Tanjon'ity tetikasa ity ny fanampiana ny fitondram-panjakana amin'ny fampihenana ny fahasahiranan'ireo mponina izay misedra isan-taona ireo takaitra navelan'ireo loza voajanahary ireo. Ao anatin’izany dia mizara telo ny fanamafisana ny fahafahan'ny mpiara-belona sy ny fahaiza-manaon’ny mpiara-belona mba ho afaka miatrika ny vokatry'ny fiovaovan'ny toetr'andro. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fahaiza-manaon'ireo mpirotsaka an-tsitrapo ny croix rouge amin'ny asa izay ataon'izy ireo ary ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin'ireo mpitondra fanjakana ety ifotony sy ireo ONG sy ireo mpiara-miombon'antoka.

Lire la suite

Articles Similaires