• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Unesco
Image
Vaovao

Ady amin’ny fampielezana vaovao diso : « Influenceurs » 9 000 isa maneran-tany no ofanin’ny UNESCO

28/11/2024 15:25 © Moov.Mg

Tsy afa-misaraka amin’ny firoborobon’ny tontolo nomerika ny fisian’ireo mpampirona, na « influenceurs ». Maro amin’izy ireny no sokajian’ny mpikirakira tambajotra sosialy ho loharanom-baovao itokiana. Araka ny valin’ny fanadihadiana vao navoakan’ny UNESCO anefa dia tsy manamarina ny vaovao avoakany ny ampahany betsaka amin’ireo mpampirona sy mpamorona votoaty (créateurs de contenus).

Mason-tsivana tsy azo itokisana

« Ao ambadiky ny efijery » (« Derrière les écrans ») no lohateny nampitondrain’ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana ho an'ny fanabeazana, ny siansa sy ny kolontsaina (UNESCO) ity fanadihadiana ity. Nivoitra tao anatin’izany fa tsy manatanteraka fanamarinam-baovao matotra ny 62% amin’ireo mpampironaa sy mpamorona votoaty nomerika.

Mpampirona 500 isa avy amin’ny firenena miisa 45 no nohadihadian’ny ekipana mpikaroka avy ao amin’ny Bowling Green State University avy ao Etazonia, notohanan’ny UNESCO. Nivoitra tao anatin’ny fanadihadiana ihany koa, fa na ireo mpampirona aza dia tsy mampiasa mason-tsivana azo antoka, entina hanamarinana ny vaovao hitany any anaty tranonkala isan-karazany any. Ho an'ny 42% tamin’ireo nohadihadiana, dia ampy hiheverany ny ranty hitany any anaty tambajotra sôsialy ho azo itokisana, ny habetsaky ny fitiavan’ny olona (« j’aime ») sy ny fizaran’ny olona (« partages ») ilay ranty.

Tsy mahalala ny lalàna

Ankoatra izay, ny 59% amin’ireo mpampirona no tsy mahalala ny lalàna mifehy ny fikirakirana aterineto, na iraisam-pirenena, na ao amin’ny firenena misy azy manokana. Mety hahatonga azy ireo ho voasaringotra amin’ny raharaham-pitsarana, noho izany, ny lohahevitra sasany avoakany, na ny sary sy horonan-tsary ampiasainy. Mahatonga ny zon’izy ireo ho voahitsakitsaka ihany koa izany tsy fahalalana izany, rehefa sendra izy ireo no iharan’ny tsy rariny ao anatin’ny tontolo nomerika.

Mitana anjara toerana lehibe ao anatin’ny tontolon’ny fampitam-baovao anefa ireo mpamorona votoaty nomerika, hoy ny tale jeneralin’ny UNESCO, Audrey Azoulay. Izy ireo no mampita vaovao ara-kolontsaina, sôsialy sy pôlitika ho an’olona an’arivony maro. « Saingy maro amin’izy ireo no mifanehatra amin’ny vaovao diso sy amin’ny fanehoan-kevitra maneho fankahalana ». Noho izany indrindra dia nanapa-kevitra ny hanohana ireo mpampirona sy mpamorona votoaty maneran-tany ny UNESCO, amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana ho azy ireo. Vao nanomboka izany fiofanana izany ary haharitra roa herinandro, iarahan’ny UNESCO manatanteraka amin’ny Knight Center for Journalism in the Americas ao Etazonia. Mpiofana 9 000 isa avy amin’ny firenena 160 maneran-tany no manaraka izany ankehitriny. Tanjona ny hiadiana amin’ny fanaparitahana vaovao diso sy ny hiadiana amin’ny fivoizana fankahalana.

Lire la suite

Articles Similaires