Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 16 hatramin'ny 22 jona 2025
Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 16 hatramin'ny alahady 22 jona
Fahapoizinana ara-tsakafo # Voakasika i Antananarivo, Toamasina ary Mahajanga
Herinandro mainty ny teto Antananarivo. Ho an'Antananarivo manokana, maherin'ny 20 ireo namoy ny ainy, noho ny fanapoizinana ara-tsakafo niniana natao. Ny "Donut" tamina fankalazana tsingerintaona nahaterahana moa no nahitana poizina. Marihana fa mbola misy marary maherin'ny 20 tsaboina eny amin'ny HJRA, na efa hita aza ny "Antidote" mamono ilay poizina.
Ny tany Mahajanga indray dia aina 3 no nafoy noho ny fihinanana Charcuterie. Efa nisy moa ny fidinana ifotony nangalana "Echantillons" tamin'ireo kazarana charcuteries tamin'ilay tranombarotra voatondro fa nividianan'ireo niharam-boina ny vokatra. Nisy ihany koa ny fitsidihana tranombarotra maromaro noho ny fitarainana mikasika ny Yaourt efa misy bobongolo.
Nisy fahapoizinana ara-tsakafo ihany koa tany Toamasina. Olona 6 no niditra hopitaly noho ny fihinanana "Godrogodro au coco".
Ambohimalaza # Olona 3 nidoboka am-ponja vonjimaika noho ny famosaviana sy firaisana tsikombakomba
Niakatra fampanoavana ny zoma lasa teo ireo voarohirohy tamin'ilay raharaha fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza Imerikasinina. Olona 8 no niatrika ny mpitsara mpanao famotorana, ka ny telo no notanana am-ponja vonjimaika. Havana akaikin'ilay tompom-panasana ireo vehivavy roa notanana am-ponja, dia "cousine" sy "zaobavy". Ny iray fahatelo kosa dia ombiasy nanantonan'ny iray amin'ilay atidoha nikotrika izao famorihana izao. Marihana moa fa anisan'ireo voapanga amin'izao raharaha izao ny vadin'i Rakool, milalao baolina kitra malaza.
Mitohy hatrany ny fanadihadihana lalina. Manintona ny sain'ireo mpanara-baovao moa ny mikasika ilay tovovavy tompona "anniversaire". Voalaza mantsy fa marary tsy mahatsiaro tena io tovovavy io hatramin'izao.
Ambohimalaza # Nadoboka am-ponja ny ray aman-dreny nanatsatoka hety ny zanany
Raha tsiahivina, zazalahikely vao enim-bolana no nentin'ny fokonolona teny amin'ny toeram-pitsaboana, noho ny ratra nahazo azy. Navela irery teny Andempobe, fokontany Ambohiboahangy, ilay zaza sady nahitana hety mitsatoka ny tendany.
Fantatra àry fa ny raikeliny ihany no nahavanon-doza. Nilaza ilay rangahy fa tsy nahazo fitiavana tamin’ny vadiny intsony izy noho io zaza io, ka dia aleony novonoina. Samy voasambotra izy mivady ka nanaovana fanadihadihana lalina. Samy nidoboka am-ponja ihany koa izy ireo, ka eny Tsiafahy ilay rangahy, ary eny Antanimora ilay ramatoa.
Vontovorona Fenoarivo # Mpangalatra niafina tanaty Armoire
Mpamaky trano iray no tratran'ny zandary niafina tao anaty "Armoire". Tsy tao an-toerana ny tompon-trano ka nanararoatra izany ny tenany. Gaga ireo manodidina nahita jiro nirehitra ka nampandre ny mpitandro ny filaminana.
Nosimbain-dranamana moa ny Grille de Protection, nahafahany niditra ny trano. Tratra teny aminy ny fitaovana maromaro toy ny tady lava sy ny pince coupante. Nofatorana teo ivelan'ny trano moa izy nialoha ny nitondrana azy natao famotorana teny min'ny biraon'ny zandary. Nalaza teny amin'ny tambazotran-tserasera mihitsy ilay horonantsary mikasika ny famoahana azy tanaty Armoire.
Manjakandriana # Lozam-piaran-dalamby namoizana ain'olona
Lehilahy iray no namoy ny ainy voahitsaky ny fiaran-dalamby manandrify ny tobin-tsolika Total Manankasikely, ny alin'ny 16 jona lasa teo. Eo amin'io toerana io moa dia milahatra ny lalamby sy ny lalam-pirenena : sendra nijanona teo amin'ny sisin-dalana ny fiara nitondra ilay lehilahy, ary naka sisiny teo ambony lalamby izy mba hiantso olona amin'ny finday. Araka ny voalazan'ireo nanatrimaso dia tsy naheno mihitsy ity ranamana ity na dia nampaneno anjomara lavareny aza ny mpanamory fiaran-dalamby, izay efa niezaka nanery ny hisatra.
Fiaran-dalamby avy Antananarivo ho any Toamasina no nahahitsaka ilay lehilahy. Potika tanteraka moa ny vatan'ilay niharan-doza.
Amboasary Atsimo # Tontosa ny tetikasa Zara Mira
Nofaranana ny 12 jona lasa teo Tetikasa Zara Mira, izay naharitra nandritra ny 3 taona, tao amin'ny Kominina Ifotaka.
Tokatrano 6700, 1690 ankizy latsakin'ny 15 taona,120 vehivavy bevohoka,550 olona manana fahasembanana,no nisitraka fanampiana avy tamin'ny fitondram-panjakana ao anatin'ny tetik'asa ZARA MIRA amin'ny alalan'ny Ministeran'ny Mponina sy Firaisankina tanterahin'ny FID fiaraha-miombon'antoka amin'ny UNICEF. Ankoatry ny fanampiana ara-bola dia nisy ny fanentanana momba ny fiovam-pihetsika mahomby amin'ny sehatry ny fanabeazana sy fahasalamana ary ny fanjariantsakafo.
Taolanaro # Fampitaovana ireo mpanjono ao Ambinanibe
Nifanolo-tanana ny Ministeran'ny Jono sy ny orinasa QMM tamin'ny fanohanana ireo mpanjono tao Ambinanibe, Fort-Dauphin. Marobe mantsy ireo fianakaviana mivelona amin'ny asa fanjonoana ao amin'io toerana io. Nisy araka izany ny fizarana fitaovam-panjonoana ahitana lakana vita amin’ny fibre de verre miisa 10, "moteurs hors bord" miisa 20, harato ZZ miisa 100, "palangres" miisa 300, "glacières" miisa 300 ary salotra vonjy aina miisa 1.000.
Tonga nanome voninahitra ny lanonana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsimanaoraty Paubert, ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Taolagnaro, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa QMM, notronin’ireo Olom-boafidy sy Olom-boatendry avy ao amin’ny Faritra Anosy.
Tsiroanomandidy # Vehivavy roa nivarotra "Produit Cosmétique" hosoka
Vehivavy roa no tratra nivarotra hosoka amin'ireny vokatra fikarakaràna tarehy ireny. Ireo marika lehibe sady lafo vidy, ary malaza maneran-tany no entin'izy ireo mamitaka olona amin'izany. Mampiasa faktiora hosoka avy amina tranom-barotra goavana izay mpamongady ireo vokatra lafo vidy izy ireo handresena lahatra ireo lasibatra. Mampiasa ny tambazotra sosialy ireto vehivavy ireto amin'ity asa ratsiny ity. Ny sampandraharahan’ny Polisim-pirenena misahana ny heloka an'habaka tany Tsiroanomandidy moa no misahana ny fanadihadihana.
Efa voasambotry ny Polisimpirenena tamin’ny volana Febroary 2024 noho io heloka io ihany izy ireto, saingy mbola niverina nanao izany indray ka izao tratra izao. Natolotra ny fampanoavana izy ireo ka naiditra am-ponja vonjimaika eny Antanimora.
Ankatoky ny fety # Fanaraha-maso ireo sakafo eny an-tsena
Efa fanaon'ny Ministeran'ny Varotra ny fidinana ifotony eny anivon'ireo tsena isan-karazany rehefa akaiky fety toy izao. Mihamafy ny fepetra raisina noho ny trangana fahapoizinana ara-tsakafo namparary sy nahafaty olona maro.
Tany Moramanga, nisy lafarinina simba 45 kitapo. Nogiazana izany entana izany mba hitsinjovana ireo mpanjifa. Nisy ihany koa ireo vokatra samihafa lany daty, teny anivona Tranombarotra isan-karazany teto Antananarivo. Ho an'ny teto afovoantany, voakasiky ny fitsirihana ireo toeram-pivarotana eny Tanjombato, Anosibe, Analakely, Behoririka, 67ha, Antanimena.
Hitohy hatrany ny fanaraha-maso ny sakafo atolotra ny mpanjifa eny an-tsena. Entanina ny mpividy mba hijery hatrany ny daty farany azo hihinanana ilay sakafo amin'ny boaty na fonosana mba hanamarina ny Date limite de consommation (DLC).
Antenimierandoholona # Lany ny lalàna mikasika ny Toaka Gasy
Lany 100% teo anivon’ny Antenimierandoholona ny lalàna mifehy ny fahalalahan’ny fanamboarana sy fivarotana Toaka Gasy eto Madagasikara. Tsiahivina fa ny solombavambahoaka voafidy tao Ambositra, Liva Rason, no nandroso ny tolo-dalàna.
Na izany aza, nisy fanovana miisa 7 kosa nentin’ny Antenimierandoholona ary hiverina eny Amin’ny Antenimierampirenena ity lalàna ity. Tsy maintsy dinihana araka izany ireo fepetra ampiharina amin'ny famokarana sy ny fanaparitahana ny vokatra, mba ho fiarovana ny fahasalaman'ny mpanjifa. Samy nanamafy ireo loholona fa ity no lalàna tena mampisongadina ny maha-Malagasy sy ho fitsinjovana ny tantsaha any ambanivohitra.
Iray Volan'ny Teny Malagasy # Fankalazana manetriketrika
Ny Distrikan'Avaradrano no nandray ny fankalazana ny Iray volan'ny teny malagasy teto Analamanga, teny amin'ny Lisea RAOMBANA Anosy Avaratra.
Ny Mpanoratra sady Poety RAKOTOMAHAFALY Norbert Eugène na Ranœ nanao ny vela-kevitra momba ny tontolon'ny asa soratra sy ny mpanoratra ary indrindra ny fampiasana sy ny famolahana ary ny fanomezana endrika ny teny malagasy. Nampahafantarina koa ny boky novokarin'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina anankiroa vao herinandro lasa izay, dia ny "Ndao hahitsy ny diso" sy ny "Alô hianatra Fitenim-paritry".
Fiantsana tononkalo sy kabary ary vako-drazana no seho nataon'ny mpianatra nanamarihana ny fankalazana.
Fahaiza-mitarika # Tanora 10 miofana any Etazonia
Tanora Malagasy 10 mianahady no voafantina ao anatin'ny programa Mandela Washington Fellowship for Young African Leaders amin'ity taona 2025 ity.
Miisa 650 izy ireo no tanora mpitarika Afrikana voafantina, ka anisan’izany ireto tanora Malagasy mamiratra ireto. Hanaraka fiofanana mandritra ny enina herinandro any amina Oniversite amerikana miisa 26 izy ireo. Fiofanana fanamafisana fahaiza-manao izay hiompana amin’ny fahaiza-mitarika ahitana fiofanana akademika arahina atrikasa fampiharana sy tantsoroka ary fifanakalozana amina mpitarika sy vondrom-piarahamonina amerikana. Manome lanja an'i Madagasikara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena izao fandraisana anjaran'ny tanora malagasy amina fiofanana avo lenta izao.
Fahasalamana # Fanavaozana nomerika eny amin'ny hopitalim-panjakana
Antananarivo 20 jona 2025 # Notokanana tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny CHU-SSPA sy CHU-JRA, ny dingana voalohany amin’ny Tetikasa Fanavaozana Nomerika ny tolotra ara-pahasalamana, ny 20 jona lasa teo.
Rafitra manan-tsaina ho an’ny fitantanana ny filaharana, izay hanatsara ny fandraisana sy ny fikarakarana ny marary no napetraka. Misy araka izany ireo fitaovana nomerika natao manokana hampihenana ny fotoana fiandrasana. Tsy voatery mifanontany laharana intsony ireo marary, satria samy manana ny "ticket". Efa voalaza ao anatin'ilay taratasy kely ihany koa ny isan'ny olona eo aloha.
Telo volana monja taorian’ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana teo amin’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran'ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, dia efa tafapetraka ireo fitaovana rehetra. Manamarika dingana lehibe amin’ny fanavaozana sy fanatsarana ny rafitra eny amin’ny hopitaly eto Madagasikara izany.