• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Men
Image
Vaovao

Résultats CEPE 2025 : Tsara dia tsara ireo vokatra voalohany

20/06/2025 15:17 © Moov

Efa manomboka mivoaka ny "Résultats CEPE 2025". Nanomboka ny fiandohan'ny tolakandro teo, efa azo jerena ny valim-panadinana ho an'ny CISCO Manjakandriana, Andramasina ary Ambatolampy.

Manodidina ny 90% ny taham-pahafahana ankapobeny hatreto. Amin'ireo CISCO namoaka voka-panadinana voalohany, ny tao Andramasina no tsara indrindra ny taham-pahafahana, dia 93,94%. Manaraka azy kosa ny tao Ambatolampy, 90,50%. Ny tao Manjakandriana kosa, 88,83 % ny taham-pahafahana.

Laza adina samihafa

Tamin'ity CEPE 2025 ity, niavaka ny fikarakarana ny fanadinana. Samy nandrafitra ny Laza adina ho an'ireo mpianatra ao amin'ny faritra iadidiany avy ny CISCO tsirairay. Azo antoka fa nojerena manokana ny fari-pahaizan'ireo mpianatra. Mazava ho azy izany fa samy mamoaka ny vokatry ny mpiadina ao aminy ihany koa ny CISCO tsirairay. Izany indrindra no nahatonga ny fivoahan'ny vokatra aloha tamin'ity taona ity. 3 andro monja izany dia nivaly ny ny fanadinana.
Mbola miandry ny valim-panadinana hatrany nefa ny CISCO hafa. Hatreto aloha, mbola tsy nisy namoaka "Résultats CEPE 2025" ny renivohi-paritany enina. Mitaintaina fatratra na ireo ray aman-dreny na ireo mpanala fanadinana. Ny azo antoka aloha dia hivoaka avokoa ny valim-panadinana mialoha ny fankalazana ny fetim-pirenena.

Fijerena ny vokatra

Tsy vitsy ireo Ray aman-dreny sy mpiadina efa miandry ny peta-drindrina eny anivon'ireo "Centre d'examen". Raha te hahalala ny voka-panadinana haingana kokoa nefa, azo atao tsara ny mijery izany amin'ny alalan'ny finday. Na inona na inona tambazotra ampiasaina, alefa SMS amin'ny 601 fotsiny ny "Numéro d'inscription". Misy valim-panadinana ofisialy ihany koa ao amin'ny tranokalan'ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena.

Lire la suite

Articles Similaires