• Cours de change
  • 5084.3 AR
  • |
  • $4431.31 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Fitsaboana : Hamoraina amin’ny alalan’ny haitao ara-kajy mirindra ny fandraisana an-tanana ny marary

20/06/2025 16:44 © Moov

Hanaovana andrana ny fampiasana ny haitao ara-kajy mirindra ny Hopitaly Joseph Ravoahangy Andrianavalona (HJRA) sy ny Centre Hospitalier Universitaire de Soins et de Santé Publique Analakely (CHU SSPA). Notokanana tamin’ity androany ity ireo rafitra teknolojika ho ampiasaina ao an-toerana.

Hafainganana ny fandraisana marary

Fomba fiasa vaovao natao hanatsarana ny tolotra omena ireo marary amin'ny fanafainganana ny fandraisana an-tanana azy ireo no tanjona. Isan’ny tombony azo amin’izany ny fampihenana ny filaharana, fangalana fotoana amin'ny alalan'ny aterineto (rendez-vous), ny firaketana ny mombamomba ny marary amin'ny alalan'ny haitao ara-kajy mirindra, sy ny maro hafa.
« Tsy ho sahirana intsony ireo mpitondra marary mitady ny varavarana hidirana sy ny fotoana aleha satria hisoratra amin’ny ticket izay raisina eo am-pidirana izany rehetra izany », hoy ny Minisitry ny fahasalamam-bahoaka, Zely Arivelo Randriamanantany.
Raha filaharam-be hatrany ny fidirana eo amin’ny CHU SSPA eo Analakely dia heverina hisy fihenana izany, manomboka izao. « Ho vetivety kokoa ny fandraisana ny marary satria manoratra ny fanafody sisa no hataon’ireo mpitsabo fa ny mombamomba ilay marary efa voarainy ao anatin’ilay rindram-baiko », hoy ny fanazavana. Etsy ankilany dia mbola azon’ireo marary atao ihany koa ny mangataka fotoana mialoha.

Andrana alohan’ny hanapariahana azy manerana ny Nosy

Ireo hopitaly roa ireo no hanaovana ny andrana amin'ny fampanarahana ara-haitao ara-kajy mirindra ny fandraisana ireo marary. Ao anatin’ny herintaona dia hisy indray ny fijerena ny mety sy ny tsy mety mba hahafahana manaparitaka ny fitaovana tena azo ampiasain’ny hopitaly rehetra manerana ny Nosy. Marihina mantsy fa ankoatra ny fandraisana ireo marary dia hanatsara ny fampidirana vola ao anatin’ny kitapom-bolam-panjakana ihany koa ity fomba fiasa vaovao ity.

Raha tsiahivina dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka sy ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra (MNDPT) ity tetikasa ity. Ao anatin’izany ny MNDPT dia namolavola sy nanome ny rindram-baiko. Hitohy amin’ny fanomezana fampiofanana ireo mpampiasa ny rindram-baiko, ihany koa.

Lire la suite

Articles Similaires