Alaska : "Nuit polaire", alina mitohy mandritra ny roa volana
Ny 18 Novambra lasa teo no nahita masoandro farany ny mponina ao Utqiagvik Alaska. Nanomboka ny harivan'io daty io izany ny "Nuit polaire". Amin'ny 22 janoary 2025 amin'ny 1 ora sy fahefany atoando indray vao hahita mazava ny ao an-toerana.
Alina foana ny andro any an-toerana mandritra ny 2 volana eo ho eo, izany hoe tsy hisy masoandro hiposaka mihitsy. Haharitra 64 andro ny "Nuit Polaire".
Fanazavana ara-tsiantifika
Ny faritra avaratry ny "Cerle Arctique" no voakasiky ny "Nuit Polaire", ka tafiditra ao anatin'izany i Alaska, faritra avaratr'i Etazonia. Azo lazaina hoe any amin'ny "pôle nord" izany no misy an'i Alaska. Raha ny fanazavana ara-tsiantifika, rehefa ririnina ny andro dia miha-manalavitra kokoa ny masoandro ny tany. Ny mifanohitra amin'izany no mitranga rehefa vanim-potoana mafana. Tsara izany ny mahafantatra fa rehefa ririnina dia misy ny "Nuit polaire", ary rehefa mafana be dia misy ny "Jour Polaire", izay samy maharitra 60 hatramin'ny 65 andro.
Tsy tena haizina tanteraka nefa no iainana mandritra ny vanim-potoanan'ny "Nuit Polaire". Misy mantsy ny antsoina hoe "Crépuscule" na hazavana maivamaivana, izay sitrahana mandritra ny adiny 6 isan'andro eo ho eo. Ao ambadika ao ihany izany ny masoandro saingy takona ny hazavana omeny.
Fiantraikan'ny Nuit Polaire
Misy fiantraikany amin'ny fiainana sy ny fahasalaman'ny mponina ao Alaska tokoa ny "Nuit Polaire", na dia eo aza ny faharazana isan-taona. Araka ny nambaran'ireo mpikaroka, ny olan'ny fikorontanan'ny torimaso no tena mitarika fikorontanana ara-tsaina sy ara-pahasalamana ho an'ny olona. Misy araka izany ireo mampiasa karazana jiro mba hanome hazavana sy haizina araka izay ilaina, mba hiavaka tsara ny andro sy ny alina. Mazava ho azy, koa satria vanim-potoan'ny ririnina no resaka, miiba ny maripana, ka matevina tokoa ny ranomandry. Mahatratra hatrany amin'ny27°C ny maripana.
Misy tokoa ireo mpizahatany mitsidika an'i Alaska mandritra ny "Nuit Polaire", mba hiaina izany andro tsy misy alina mandritra ny fotoana maharitra izany.