Orambe teto Antananarivo : Tosika ho an'ny famokarana herinaratra
Omaly, 22 novambra tamin'ny 6 ora sy sasany hariva teo ho eo, no nisitraka orambe voalohany ny teto Antananarivo. Orana artifisialy no nirotsaka, araka ny nambaran'ny Jirama.
Antony goavana mahatonga ny tsy fahampian'ny famatsiana herinaratra ny haintany. Maro ireo rano ritra noho ny tsy fahalatsahan'ny orana. Herinandro vitsy lasa izay dia nilaza izahay fa mihamafy ny vanim-potoanan'ny maintany ka tsy mitsahatra ny mihena ny haavon'ny rano amin'ny renirano sy farihy. Tsy afaka mamokatra ny herinaratra ilaina ny tobim-pamoarana lehibe indridra eto amintsika, Andekaleka.Anisan'ireo vahaolana hiadiana amin'ny "délestage" araka izany ny fandatsahana orana artifisialy.
Fahombiazana feno
Fandraisana andraikitra miompana amin'ny teknolojia avo lenta, amin'ny famoronana rahona artifisialy sy orana artifisialy no vahaolana hita izay notanterahina omaly zoma sy androany sabotsy. Ho an'Antananarivo Renivohitra, orambe no nikija, narahina filatsahan'ny havandra izay somary lehibe. Tanjona moa ny hampiakarana ny haavon'ny rano. Izany mantsy no antoka hamokarana herinaratra ampy mba hampihenana ny fahatapahan-jiro. Hanampy antsika amin'ny ampahany izany amin'ny vanim-potoanan'ny main-tany ary hanome tolotra tsara kokoa ho an'ny Mpanjifa.
Manoloana ny fisian'ny orana arahin-kotroka dia mety misy ireo faritra iharan'ny fahatapahana, koa, hanao ny ezaka rehetra hamerenana izany faran'izay haingana ny Jirama. Antenaina fa mbola hisy ny orana rahariva ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Nambaran'ny Meteo mantsy fa manamora ny fiforonan’ny orana tandrifindrahona indrindra ho an’ny afovoan-tany ny sisan-drahona naterak'ilay rivodoza Bheki.