• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mim
Image
Vaovao

Fitrandrahana « quartz rose » ao Ambatondrazaka : Nahazo ampahan-tany ireo mpitrandraka madinika

22/11/2024 15:03 © Moov.Mg

Mpitrandraka madinika maro no nirohotra nitrandraka « quartz rose » tao amin’ny kariera Antandrokomby, Kaominina Ambohitsilaozana, any amin’ny Distrikan’Ambatondrazaka. Tsy ara-dalàna izany fitrandrahana izany, ka nila nitady vahaolana ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny, nametraka lamina tsy hisian’ny fihoaram-pefy.

Fampidirana amin’ny sehatra ara-dalàna

Tao anatin’ny fari-pitrandrahana manan-tompo no nisian’ity trangana fitrandrahana « quartz rose » ity, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Harena an-kibon’ny Tany. Efa nisy moa ny fidinana ifotony niarahan’ny ministera sy ireo olom-boafidy tany an-toerana, nijerena ifotony ny zava-misy, tamin’ny 11 novambra lasa teo. Nandritra izany no efa nandinihana ny paikady mifanaraka amin’ny lalàna velona. Tanjona ny hampidirana ireo mpitrandraka amin’ny rafitra ara-dalàna sy matihanina kokoa. Nampahafantarina ireto farany ihany koa, ny lalàna manan-kery momba ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany eto Madagasikara.

Vahaolana noraisina ny famaritana ny toerana ahafahan’ireo mpitrandraka madinika manatanteraka ny asany, na ilay antsoina hoe : "couloir d'exploitation artisanale".

Nahazo taratasy fanamarinana

Satria manan-tompo ny toeram-pitrandrahana, dia nilaina ny fahazoana ny fankatoavana avy amin'ny orinasa tompon'ny fahazoan-dalana, nahafahana namaritra ny anjara tany azon’ireo mpitrandraka madinika hampiasaina. Omaly alakamisy 21 novambra 2024 no tontosa ny fidinana ifotony nanatanterahana ny famaritana, izay nifandrimbonan’ny teknisianina avy eo anivon'ny Ministeran'ny Harena an-kibon'ny Tany foibe, ny Fitaleavam-paritry ny Harena an-kibon’ny Tany ao Alaotra Mangoro, ny Biraon'ny kadasitra momba ny harena an-kibon'ny tany (BCMM) ao Ambatondrazaka, niaraka tamin’ireo olom-boafidy sy olom-boatendry any an-toerana. Nanatrika teo ihany koa ireo mpitrandraka, ny tompon’ny tany, ny Tangalamena sns.

Dingana manaraka ny fanoloran’ny minisitry ny Harena an-kibon’ny Tany, Rakotomalala Herindrainy Olivier, ny taratasy manamarina sy manaporofo ny maha ara-dalàna ny fahafahan'ireo vondrona mpitrandraka madinika miasa ao anatin'io toerana voafaritra io, androany zoma 22 novambra 2024.

Lire la suite

Articles Similaires