• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Seho tsy fahita firy : Hiombon-tsehatra i Fanja Andriamanantena, Rija Ramanantoanina ary i Silo

20/11/2024 15:42 © Moov.Mg

« Naleoko », hira nosoratan’i Tovo Andrianandraina ! Efa roa herinandro teo ho eo izay no re nanakoako indray izany hira izany, ao anatin’ny fampiaraham-peon’i Fanja Andriamanantena, Rija Ramanantoanina sy Silo. Fampisehoana, hahitana ireto mpanakanto telo ireto hiaraka hiaka-tsehatra, no ao ambadik’ity rakitsary vao mafana be ity.

Filalaovana mozika sy feo

Fanja Andriamanantena, Rija Ramanantoanina ary i Silo, mpanakanto samy andrarezina. Mazàna no sokajian’ny mpitia mozika ho ao anatin’ny gadona « jazz » ny mozika lalaovin’izy ireo. Eny nefa tsia ! Izay no azo amintinana ny fomba fanazavan’izy ireo ny kantony. Ny azo antoka dia mozika sy feo no lalaovin’izy ireo. Izany kanto miavaka, mambabo sy namakivaky taona maro izany no ho entin’izy ireo an-tsehatra, ny voalohan’ny volana desambra izao, eny amin’ny CCI Ivato, karakarain’ny Louvto Company.
« Mozika Maripeo » no lohatenin’ity fampisehoana ity, « maripeo », izay midika hoe : « naoty », eo amin’ny sehatry ny mozika. Araka izany, lalao mozika ranofotsiny no ho ankafizin’ireo mpijery, mandritra io fotoana io. « Izay natao tany amin’ny famerenana mihitsy no ho hita eny an-tsehatra », hoy ny fanazavan’i Rija Ramanantoanina, izay nanamarika fa « concert » no endrika hanatanterahana ny seho, izany hoe : tena hibahan-toerana ny filalaovana mozika sy feo.

Seho tsy manam-paharoa

Sambany vao hiaraka hiaka-tsehatra tahaka izao ireto mpanakanto samy andrarezina, nefa samy manana ny hanitra ho azy ireto. Efa niara-nilona tao anatin’ny mozika nandritra ny fotoana maro anefa izy ireo, ary efa nisy ihany koa ny fiarahana niaka-tsehatra tsiroaroa. Efa tany amin’ny taona ‘90 no nisy ny fiaraha-miasa teo aminy sy i Rija Ramanantoanina, hoy i Silo. Ho an’i Fanja Andriamanantena indray, dia toy ny zaza notaizaina tao an-tokantranony mihitsy i Silo, izay efa niara-nianoka mozika taminy, nanomboka tany amin’ny faha-15 taonany tany ho any. Raha ny filalaovana mozika niarahan’i Rija Ramanantoanina sy i Fanja Andriamanantena indray, dia tantaram-pitiavana efa hatry ny ela. « Mitovy fijery, tsy mifanipaka ny gadona, samy manana ny hanitra ho azy fa afaka miaraka tsara », araka ny namintinan’i Rija Ramanantoanina azy.

Manohana ity hetsika ity ny Telma Madagascar, izay vonona hatrany manandratra ny lafiny ara-kolotsaina eto Madagasikara ; ary koa ny marika Gold an’ny orinasa Star, izay isan’ny mavitrika amin’ny fanohanana ny kanto malagasy. « Fotoana iray fanararaotra izao », hoy i Rija Ramanantoanina, satria mety ho taona maro any aoriana any indray vao hisy ny seho tahaka izao. Haharitra adin’ny telo eo ho eo ny « Mozika Maripeo », hiarahana amin’i Fanja Andriamanantena, Rija Ramanantoanina ary i Silo.

Lire la suite

Articles Similaires