AFAFI NORD : Toeram-pivoahana miisa 2 163 natsangana tany Analanjirofo, Sava ary Diana
Mbola fanamby goavana ho an’i Madagasikara, manerana ny Nosy mihitsy, ny fametrahana toeram-pivoahana sy ny ady amin’ny tay miparitaka. Mafimafy kokoa izany any amin’ireo faritra mbola maro mpandala ny fomban-drazana. Efa miroso tsikelikely amin’ny fametrahana ireny toerana ireny anefa ny isan-tokantrano any. Amin’izao fotoana izao, lava-piringa miisa 2 163 no natsangana tany amin’ny faritra Avaratra tamin’ny alalan’ny tetikasa Afafi-Nord.
Manomboka amin’ny 60 000 ariary
Manampy sy manentana ireo mponina ny tetikasa amin’ny fananganana ireo lavapiringa ireo. Raha ho an’ireo any amin’ny tapany Avaratra, indrindra ny faritra Analanjirofo, Sava ary Diana dia manomboka amin’ny 60 000 ariary hatramin’ny 100 000 ariary eo ny fananganana lava-piringa iray. « Vita amin’ny bambou izy io ary tsy dia tena mila vola betsaka. Mbola azo lazaina ho vitsy anefa ny resy lahatra ka tena mbola ilaina fanentanana mafimafy kokoa », hoy ny avy ao amin’ny Vondrona Eoropeanina, izay mpamatsy vola ny tetikasa. Raha ny tokony ho izy mantsy dia tokony samy hanana ny toeram-pivoahany ny tokantrano tsirairay. Mbola goavana anefa ny filàna satria manodidina ny 2 900 000 eo ny isan’ny mponina amin’ireo faritra telo ireo. Mbola misy filàna an’arivony ireo faritra telo ireo amin’izao fotoana izao, araka izany.
Filàna goavana ho an’ny Nosy
Nankalazaina omaly ny andro manerantany ho an'ny toeram-pivoahana sy fifantohana amin'ny fanasana tanana. Nandritra izany no nanamarihana fa mbola goavana ny filàna ho an’ny Nosy iray manontolo. Raha ity tatitry ny Vondrona Eoropeanina ity hatrany dia mbola miisa 13 650 000 ny olona manao maloto ankalamanjana any ambanivohitra raha miisa 5 155 000 kosa izany ho an’ny an-drenivohitra. Araka izany, mbola misy ny lavaka lehibe mila totofana. Ny tsy fampiasana lavapiringa mantsy dia misy fiantraikany ratsy amin’ny fahasalamana sy ny tontolo iainana. Izany rehetra izany no mitondra mankany amin’ny fahasimban’ny toekarena rehefa avy eo. Araka izany, tsy adidin’ny fitondram-panjakana irery ihany ny fananganana ireny lavapiringa sy toerana fanasana tanana ireny fa manana adidy sy andraikitra amin’izany avokoa ny rehetra hatramin’ny mponina.