Fomba tsotra fanaovana « croque-monsieur »
Karazana tsakitsaky ankafizin’ny maro, indrindra ny ankizy ny « croque-monsieur ». Mora karakaraina ary tena matsiro izy ireny nefa tsy dia mila akora be dia be ny fanaovana azy. Raha maniry hanao « croque-monsieur » ao an-trano ary dia araho eto ny fomba tsotra hikarakarana azy.
Ireo akora ilaina raha hanao « croque-moniseur » ho an’olona 1
-Pain de mie silany 2 ;
-Silaka jambon 1 ;
-Fromazy voakiky 50g ;
-Sira sy dipoavatra ;
-Crème fraîche 30g ;
-Dibera 1 sotro fihinanana.
Ireo dingana amin’ny fikarakarana azy
Hafanaina amin’ny hafanana 240°C ny lafaoro.
Afangaro anaty bol ny crème fraîche, ny antsasaky ny fromazy voakiky ary ny sira sy dipoavatra.
Osorana dibera ireo silaka pain de mie (lafiny iray ihany).
Osorana dibera ny « plat » hampiasaina hampidirana ny « croque-monsieur » anaty lafaoro.
Apetraka eo ambonin’ny « plat » ny silaka pain de mie voalohany ka ny lafiny misy dibera no atao ambony.
Apetraka eo ny silaka jambon avy eo ny ambin’ny fromazy voakiky.
Rakofana amin’ny silaka pain de mie faharoa ka ny lafiny misy dibera no atao ambany.
Rehefa vita izay dia rarahana ilay fangaro misy crème fraîche ireo mofo.
Atsofoka anaty lafaoro mandritra ny 10 minitra. Aroso avy hatrany rehefa vita. Tsara kokoa raha aroso miaraka amin’ny salady.