Fampielezan-kevitra ho an’ny fifidianana Ben’ny Tanàna : Misy soatoavina tokony hajaina
Niantomboka androany ny fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana Ben'ny tanàna sy Mpanolo-tsain’ny tanàna manerana an’i Madagasikara. Manoloana izany, dia nampahatsiahy ireo soatoavina tokony hajaina mandritra izany fotoanan’ny fampielezan-kevitra izany ny Vaomieram-pirenena Mahaleo Tena misahana ny Fifidianana (CENI).
Fametahana peta-drindrina
21 andro no faharetan'ny fampielezan-kevitra, ho an’ny fifidianana Ben’ny Tanàna sy mpanolo-tsaina, izay nanomboka androany 19 novambra 2024 ary hifarana ny 9 desambra 2024. Ny 10 desambra 2024 kosa dia natokana ho andro fahanginana mialoha ny fifidianana. Mandritra ny faharetan’ny fampielezan-kevitra manontolo, dia efa misy ny toerana azo hametahana peta-drindrina momba ny fifidianana, izay napetraky ny CENI sy ireo rantsa-mangaikany mba hampiasain’ireo mpilatsaka hofidina maimaimpoana. Hatramin’ny androany maraina aloha dia mbola tsy betsaka ireo kandida ho Ben’ny Tanàna no nampiasa izany, raha ny hita teny an-dalam-be teny. Marihina fa voarara ny mametaka peta-drindrina momba ny fifidianana eny amin’ny fefy sy rindrin’ny tranom-panjakana, ny trano fiangonana sy toerana ara-kolotsaina, amin’ny tsangam-bato voajanahary sy any anaty toerana voasokajy ho manan-tantara, siantifika, manan-daza na goavana.
Nampahatsiahy ireo soatoavina tokony voizina ho an’ny fampielezan-kevitra ihany koa ny CENI, toy ny firaisankinam-pirenena sy fihavanana malagasy, ny tsy fiandanian’ny sampandraharaham-panjakana, ny fampitovian-jo ireo kandidà, ny fangaraharan’ny famatsiam-bola ho an’ny fampielezan-kevitra, ny tsy fivoizana fankahalana sy fanilihana, ny fanajana ny filaminam-bahoaka…
Kandidà ho Ben’ny Tanàna miisa 7
Raha tsiahivina, ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra manokana, dia miisa 7 ireo kandidà ho Ben’ny Tanàna :
1# RAZANAMASY Ndriana
2# RAZAFINJOELINA Tahina
3# ROINDEFO Monja
4# RAVALOMANANA Tojo
5# RANDRIAMAMPIONONA Joseph Martin
6# MANDRINDRARIVONY Ogascar Fenosoa
7# RAMANANTSOA Harilala