• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Telma
Image
Vaovao

Reko Band - 5 taona : Fampisehoana lehibe ny 22 desambra eny amin’ny Palais des Sports Mahamasina

19/11/2024 15:18 © Moov

Hanatanteraka seho tsy manampaharoa ho an’ireo mpankafy azy ny tarika Reko Band ny 22 desambra ho avy izao. Hotanterahina ao amin’ny Palais des Sports Mahamasina izany izay hanomboka amin’ny telo ora. Hitondra fihetseham-po, firaisan-tsaina sy seho hiraikitra an-tsaina ny tarika raha ny fanambaran’izy ireo nandritra ny fampahafantarana ny hetsika tamin’ny mpanao gazety tamin’ity anio ity.

Fankalazana tsingerintaona

Mankalaza ny faha-dimy taonany ny Reko Band amin’ity taona 2024 ity. Hiavaka araka izany ny seho izay hatolotr’izy ireo raha ho famaranana ny fankalazana eto Antananarivo io daty io. « Tena hiseho amin’ny fomba hafa kely ny seho. Famaranana ny fankalazana izy raha eto Antananarivo ary hanome ny tsara indrindra izahay. Ankoatra ny seho sy ny fiarahanay mihira amin’ny mpankafy dia hisy ihany koa ireo mpanakanto na olona hiara-hihira tsy ampoizina aminay », hoy i Fy Rasolofoniaina, mpitarika ny Reko Band.
Nanamarika ny tarika fa efa am-bolana maro no nanomanana ny hetsika. Hatolotra ny olona rehetra ny seho, manomboka amin’ny zaza hatramin’ny lehibe. Isan’ny hampiavaka azy ihany koa ny fihirana ny hira rehetra nanamarika ny tarika hatramin’izay sy ireo hira vaovao. Haharitra hatramin’ny 6 ora hariva eo ho eo mantsy ny fampisehoana rehetra, raha ny fanazavana avy amin’ny Studio 58, izay mpikarakara ny seho. Ity farany izay miara-miasa ihany koa amin’ny Telma Madagasikara, izay vonona hatrany hampiroborobo ny kanto sy ny kolontsaina Malagasy.

« Reko Tour »

Ao anatin’ity fankalazana ny faha-dimy taonan’izy ireo ity ihany koa dia efa nanatanteraka ny hetsika « Reko Tour » izy ireo nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taona tany. Nandritra izay fotoana rehetra izay dia fahombiazana hatrany ny fampisehoana na ny teto an-toerana izany na ny tany ivelany, hoy ny tarika. Raha tsiahivina moa dia ny hanatonana kokoa hatrany ny mpankafy no anton’io hetsika io. « Tsy ambakan’izay efa natao rehetra ny seho amin’ny 22 desambra sady hahazaka olona betsaka rahateo ny toerana », hoy hatrany i Fy.
Hisokatra manomboka ny 23 novambra izao ny fividianana tapakila izay hiarahan’izy ireo miasa amin’ny Ketrika.com. Manomboka amin’ny 7 000 ariary hatramin’ny 100 000 ariary izany.

Lire la suite

Articles Similaires