Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra Diana : Ho trandrahina ny otrikaren’ireo distrika 5
Hotanterahina any amin’ny faritra DIANA ny 20, 21 ary ny 22 desambra izao ny andiany faha-10 amin’ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny faritra (JIR). Any amin’ny Renivohitry ny faritra indray no hitondrana izany dia ao Antsiranana.
Nambaran’ny Minisitry ny fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany ny fisian’io hetsika io, omaly. Tonga teto Antananarivo ihany koa ny Governoran’ny faritra DIANA, Andriamatoa Taciano Rakotomanga, nandray anjara tamin’ny fivoriana momba ny fanomanana ity hetsika ity.
« Tany manjary ho an’ny toekarena maharitra »
Isan’ny omena vahana manokana amin’ity hetsika ity ny momba ny otrikarena hananan’ireo Distrika miisa 5 mandrafitra ny faritra. Dia ny distrikan’Antsiranana I sy II, Ambilobe, Nosy Be ary Ambanja. Ao anatin’izany ny vokatry ny fambolena, ny jono sy ny harena an-dranomasina, ny harena an-kibon’ny tany, ny indostria ary ny fizahan-tany. Amin’ity andiany fahafolo ity dia ny hoe « Tany manjary ho an’ny toekarena maharitra » no lohahevitra. Natao mba ahafahana mitrandraka araka ny tokony ho izy ireo otrikarena ireo ny anton’io teny filamatra io. « Tanjona amin’ny hetsika toy izao moa dia ny fampandrosoana mirindra ka handroso miaraka ny isaky ny distrika sy ny faritra », hoy ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny raharaham-bahiny. Amin’ny alalan’ny fiarahamiasa amin’ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ireo mpampiasa vola, ireo sehatra tsy miankina ary ny malagasy am-pielezana ny fanatanterahana izany rehetra izany. Eo ihany koa ny mba hisian’ny fiantraikan’izany fampandrosoana izany amin’ny mponina ao amin’ny faritra.
Mila mpiaramiasa ny faritra
Mandritra izao fandalovany eto an-drenivohitra izao, hitsidika ireo masoivoho sy mpiara-miombon’antoka samihafa ny Governoran’i DIANA. Tanjony amin’izany ny hanasa azy ireo handray anjara amin’ity JIR DIANA ity. Tsiahivina fa ankoatra ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny sy ny Minisiteran'ny fanajariana ny tany, miara-miombon'antoka hahatontosana izao JIR DIANA izao ny Minisiteran'ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, ny EDBM ary ny Faritra izay mandray ny Hetsika iraisam-pirenena ho an’ny Faritra. Efa vonona ny faritra ny amin’ny fandraisana ity hetsika ity.