Fahasalamana : ireo tsara fantatra mikasika ny « anémie »
Maro tokoa eto amintsika ireo olona manao ny « anémie ». Mety ho voakasik’izany avokoa na ny ankizy na lehibe, indrindra ny bevohoka. Mety miteraka fahasarotana ara-pahasalamana izy io raha tsy voatsabo ara-dalàna. Fa inona tokoa moa no atao hoe anémie ? Inona no atony mety mahatonga izany ? Inona no fitsaboana azo atao ?
Inona no atao hoe « anémie » ?
Tsy fahampiana rà ao amin’ny vatana no fahafantaran’ny maro ny « anémie ». Raha ny marina kokoa dia fihenan’ny isan’ny « globules rouges » anatin’ny rà izy io. Ny « globules rouges » no miandraikitra ny fitondrana ny « oxygène » anaty rà avy any amin’ny avokavoka mankany amin’ny vatana iray manontolo. Ireo karazana otrikaina toy ny fer, vitamina B12 sy acide folique no ampiasain’ny vatana hamokarana ny « globules rouges ». Rehefa mihena izany ny « globules rouges » anaty rà dia lasa tsy mandeha tsara intsony ny fitondrana ny « oxygène » ka mahatonga soritr’aretina samihafa toy ny :
-Fahatsapana havizanana sy torovana ;
-Lasa hatsatra ny endrika sy ny vatana ;
-Mora sempotra rehefa mampiasa vatana kely ;
-Palpitations ;
-Fanimpanina ;
-Marary an-doha.
Mivoatra tsikelikely ny « anémie » ary mety miseho amin’ny endrika samihafa ny fahasarotany. Arak’izany dia misy ireo olona manao « anémie » no tsy mahatsikaritra soritr’aretina mihintsy na tsy mahatsapa izany raha tsy mampiasa vatana mafimafy.
Ireo antony mety mahatonga ny « anémie »
Maro ireo antony mety mahatonga ny olona iray hanao « anémie ». Anisan’ireo mateti-pitranga ny :
-Fahaverezana rà be loatra, ohatra mandritra ny fadimbolana, noho ny ratra, fiterahana na fandidiana… ;
-Tsy fahampian’ny famokaran’ny vatana « globules rouges » noho ny tsy fahampiana fer, acide folique na vitamina B12 ;
-Fanafoanana tafahoatra ny « globules rouges » ataon’ny vatana.
Etsy andaniny dia misy ireo anton-javatra izay mety mampitombo ny « risques » hampanao « anémie », toy ny :
-Sakafo tsy ampy fer, vitamina B12 sy acide folique ;
-Olana ara-pandevonan-kanina mametra ny fandraisan’ny vatana ny otrikaina ;
-Fadimbolana ;
-Fitondrana vohoka ;
-Aretina sasany toy ny homamiadana, insuffisance rénale…
Ny fitsaboana ny "anémie"
Miankina amin’ny antony sy ny fahasarotany ny fitsaboana ny « anémie ». Misy ny karazana « anémie » tsaboana amin’ny alalan’ny fanafody na ny « suppléments » toy ny fer, vitamina B12 na acide folique. Ho an’ny « anémie » sokajiana ho « sévère » dia mety ilaina ny fampidirana rà (transfusions) amin’ilay marary. Raha toa ka olana ara-pahasalamana no mahatonga ilay « anémie » dia mila ampitomboina ny « globules rouges » ao anatin’ny rà.
Manampy betsaka amin’ny fitsaboana ny « anémie » ihany koa ny fihinana sakafo manankarena ireo otrikaina manatsara ny famokaran’ny vatana ny « globules rouges ». Anisan’izany sakafo izany ny hena mena sy ny taovan-kena, ny trondro, ny akoho amam-borona, ny legioma ravina maitso, ny voamaina, ny céréales, ny atody ary ny voankazo be vitamina C.