Jono orantsimba : Napetraka ny faritra arovana an-dranomasina ao Ampasimasay Taolagnaro
Faritra tena mpamokatra orantsimba eto Madagasikara ny ao Anôsy. Mba ho fampiroboroboana hatrany ity seha-pihariana ity, sy ho an’ny tombontsoan’ny tontolo iainana an-dranomasina, dia nosokafana tamin’ny fomba ôfisialy ny faritra arovana an-dranomasina tantanana eny ifotony, na « Aire Protégée Gérée Localement » (APLG) ao Ampasimasay, Distrikan’i Taolagnaro.
Fandraisana andraikitra eny ifotony
Tombanana ho manodidina ny 25 taonina ny votraka azo, tao anatin’ny faritra arovana an-dranomasina tantanana eny ifotony ao amin’ny Fokontany Ampasimasay, Kaominina Manantenina, Distrikan’i Taolagnaro, Faritra Anôsy, tamin’ny taona 2023. Mirefy 18km² izany faritra arovana izany. Noho ny fangatahan’ireo mpanjono, dia napetraka ity faritra arovana ity, ka ireto farany ihany no mitantana azy. Ahitana harena an-dranomasina betsaka mantsy ity toerana ity, ka isan’izany ny trondro, fa indrindra, ny orantsimba (langouste). Antoka mampahomby ny fitantanana ny harena voajanahary an-draomasina, ny fandraisana andraikitry ataon’ny mpanjono eny ifotony, tahaka izao.
Nahazoana vokatra tsara
Raha toa ka maharitra telo volana ny fikatonan’ny jono manerana an’i Madagasikara, isan-taona, dia nampiana telo volana izany, ao anatin’ny faritra arovana, ary voarakitra ao anatin’ny Dina io fepetra io, mba hampiharina eny ifotony. Tanjon’izany fepetra izany ny fampiroboroboana ny jono any an-toerana sy mba hampaharitra ny seha-pihariana orantsimba. Efa nisy ny andrana fanakatonana ny jono, nandritra ny iray volana. Nahitam-bokatra tsara sahady izany, satria dia maherin’ny 500kg ny vokatra orantsimba, ary 300 kg ny trondro azo, taorian’ny fikatonana.
Nanatrika ity fotoam-panokafana ny APLG ao Ampasimasay ity, tamin’ny faran’ny herinandro teo, ny tale Jeneralin’ny Jono sy ny Toekarena Manga ao amin’ny Faritra Anôsy, Tilahy Désiré, sy ireo tomponandraiki-panjakana any an-toerana, tohanan’ny tetikasa Eco Langouste izay vatsian’ny Vondrona iraisam-pirenena momba ny asa (OIT), ary ireo fikambanana miompana amin’ny jono miasa any an-toerana.