• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Got2Globe
Image
Vaovao

Fitaterana an-dalamby : Zara raha mampitohy an’ny Fianarantsoa amin’ny Manapatra sisa ny FCE

18/11/2024 15:02 © Moov

Misedra olana ny zotra an-dalamby Fianarantsoa Côte Est. Amin’izao fotoana izao dia tsy mahafeno ny fepetra maha zotra Fianarantsoa - Côte Est azy ity zotra iray ity raha eo Manapatra fotsiny sisa dia miverina raha tokony ho tonga any Manakara. Efa volana maromaro izay no efa niaina izany ny mponina amin’iny tapany Atsimo Atsinanana iny.

Olana ara-teknika

Araka ny hita sy ny miparitaka manerana ny tambazotran-tserasera, efa nampiakarina aty Antananarivo amin’izao fotoana izao ny lohamasinina izay nampiodinana ity zotra ity teo aloha. Antony iray mahatonga ny fihenan’ny zotra sy ny lalana izay tokony ho vitain’ny fiarandalamby iray. Faharoa, raha tsiahivina dia nisehoana lozam-pifamoivoizana an-dalamby ihany koa teo amin’ity zotra ity ny volana janoary 2024. Nahafatesana olona izany loza teo Sahasinaka # Fenomby izany. Araka izany, manomboka tsy mihodina tsara intsony ity zotra ity amin’izao fotoana izao. Lamasinina BB229 tokony mahazaka 60 taonina no ampiasaina saingy latasak’izay no hany zakany satria tsy miodina ny maotera iray mampandeha ny lamasinina. Manambara olana ara-teknika ihany koa anefa ny avy ao amin’ny fiandraiketana ny FCE. « Isan’ny olana sedraina amin’izao fotoana izao ny fahasimban’ny loha-masinina iray. Ankoatra izay anefa dia efa antitra ihany koa ny lalam-by ka misy manapaka hatrany eny amin’ny lalana eny », hoy ny Talen'ny FCE, Rakotonirina José Simon. Etsy andaniny anefa dia efa lasa mahalana ihany koa ny fisian’ny zotra tonga hatreo Manapatra amin’izao fotoana izao.

Hiverina ny fitaterana olona

Raha ny fanambarana hatrany dia ho ampiasaina aloha izay fitaovana misy. Io lamasinina BB229 io araka izany no hampiodinina ka hiverina ny fitaterana olona hatreo Manapatra amin’ny alalan’ny maotera miisa 3. Indray mandeha isaky ny herinandro no handeha izany zotra izany ary hahazaka olona miisa 64 mipetraka sy ireo sasany izay mitsangana.

Fotoan’ny fahavokaram-bokatra

Fotoan’ny fahavokaran’ny vokatra hamatsiana ny renivohitra any amin’iny tapany Atsimo Atsinanana iny amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany indrindra ny voankazo. Ity fomba fitaterana ity irery ihany anefa no tena hahazoan’ireo tantsaha tombony amin’ny famoahana ny vokatra ka isan’ny tena handrandrain’izy ireo ny fiverenan’ny fiasany indray. Raha tsiahivina dia miantoka ny hatramin’ny 70% ny harikaren’ny mponina any an-toerana izany fampiakarana vokatra izany.

Lire la suite

Articles Similaires