• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pinterest
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fomba fikarakarana « bûche salée aux saveurs de la mer »

18/11/2024 14:18 © Moov.Mg

Sakafo iray isany manamarika ny krismasy ny « bûche de Noël ». Efa maro ireo karazana « recettes » matsiro afaka hikarakarana azy io. Raha mamy hatrany ny « bûche » mahazatra antsika dia fantaro fa azo atao ihany koa nefa ny manao « bûche » masira toy ny « bûche salée aux saveurs de la mer ». Araho eto ary ny fomba fikarakarana izany.

Ireo akora ilaina raha hanao « bûche salée aux saveurs de la mer »

-Chair de crabe 200g ;
-Saumon fumé 150g ;
-Gambas efa voavaofy 6 ;
-Fromazy mando toy ny mascarpone na Philadelphia ;
-Atody 3 ;
-Moutarde 1 sotro fihinanana ;
-Crème liquide 10sl ;
-Voasary makirana 1 ;
-Kotomila notetehana manify 1 sotro fihinanana ;
-Sira sy dipoavatra.

Ireo dingana amin’ny fikarakarana ny nahandro

Afanaina amin’ny hafanana 180°C ny lafaoro.
Sarahana ny tapotsin’atody sy ny tamenany ary atao anaty bols samihafa.
Arotsaka anatin’ny bol misy ny tamenak’atody ny fromazy, ny moutarde ary ny crème liquide. Kapohana amin’ny fouet mandrapahazoana fangaro mitambatra tsara.
Kapohana amin’ny batteuse ny tapotsin’atody nasiana sira 1 tsongo. Rehefa mibontsina tsara dia arotsaka tsikelikely sy afangaro amin’ilay tamenak’atody teo amin’ny alalan’ny spatule.
Arotsaka ao anatin’io fangaro io manarak’izay ny chair de crabe sy ny saumon fumé. Aroharoana moraramo mba tsy ho rava ilay tapotsin’atody (blancs en neige).
Arotsaka anaty « moule à bûche » na « moule rectangulaire » nolafihana « papier sulfurisé » ilay fangaro. Alamina amin’ny spatule mba halama tsara.
Andrahoina anaty lafaoro mandritra ny 30 minitra eo ho eo. Rehefa lasa « dorée » sy mafimafy rehefa tsapaina ilay « bûche » dia vita.
Avoaka tao amin’ny lafaoro ary avela hangatsiaka tanteraka vao esorina tanaty « moule » ary afindra avy hatrany anatin’ny « plat de service ».
Haingoana amin’ny « gambas » efa voavaofy sy voasarimakirana notetehana fisaka ary kotomila eo ambonin’ny « bûche salée aux saveurs de la mer ».

Lire la suite

Articles Similaires