Atsimo Andrefana : Manabe ny ankizy, manome sakafo ho an’ny mponina, ny fikambanana SOS Toliara
Fikambanana iray miahy ireo olona sy ankizy sahirana any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny Sakaizan’ny Olona Sahirana Toliara (SOS Toliara). Manana ny lanjany ny fikambanana tahaka izao, ho n’ny firenena ahitana olona mahantra marobe, tahaka an’i Madagasikara.
Tsy mandia varavaran-tsekoly
Nomarihina omaly 17 novambra ny andro eran-tany faha-8 ho an’ny mahantra, izay napetraky ny papa Fransoa hatramin’ny taona 2017. Fotoana ihany koa io nanasongadinana ireo fikambanana misehatra amin’ny fanampiana ireo olona tena marefo, tahaka ny SOS Toliara, izay fikambanana miasa any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana.
Any Toliara tokoa mantsy no isan’ny ahitana ankizy betsaka, tsy mianatra, fa mirenireny fotsiny, na mikarama, toy ny mikapa hazo, mba hanamboarana arina fandrehitra. « Ny ray aman-dreny mihitsy no tsy mahalala ny lanjan’ny fampianaran-janaka… Ilaina ny manentana ny ray aman-dreny ny amin’izany », hoy ny mômpera Ravelomahitasoa Jean Chrysostome, mpanorina ny fikambanana SOS Toliara. Mba hiadiana amin’io tsy fidiran’ny ankizy an-tsekoly io, dia nanorina sekoly miisa 8 any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana ny fikambanana, izay manabe ankizy 5 hatramin’ny 16 taona.
Zaza kamboty
Etsy an-daniny, olana lehibe atrehin’ny mponina ao Toliara ny hanoanana sy ny hain-tany. Manohana ireo mponina amin’izany hamehana amin’ny andavanandrom-piainana izany ihany koa ny fikambanana SOS Toliara. Ary satria ny ankizy no tena iharan’izany tsy fisiana lalina izany, dia nanokatra ny ivon-toerana « La maison des anges » ny fikambanana, nanomboka tamin’ny volana septambra lasa teo. Ivon-toerana natao itaizana ireo ankizy tsy manan-kialofana izy ity, izay zanak’olona mpivaro-tena ny ankamaroany, ary tsy mahalala ny rainy akory. Misy ihany koa ireo zaza kamboty, namoy ny reniny, vokatry ny aretina. « Efa zary lasa fiainana ny fivarotan-tena, saingy madio fo ny ankizy, ka afaka mitondra fihatsarana kokoa amin’ny fiainany, noho izay fahadiovam-pony izay », araka ny nambaran’ny mompera Ravelomahitasoa Jean Chrysostome.
Eo anatrehan’izany asa sahaniny izany dia mila fanohanana ny fikambanana SOS Toliara. Raisin’ny fikambanana an-tanan-droa izay voarambin’ny tanana. Sady hanampy azy ireo amin’ny fividianana « citerne » hanangonana ranon’orana ihany koa ny vola voavory, mba hananana rano mety mamonjy ny mponina.