• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Un News
Image
Vaovao

ECPAT France Madagascar : « Eo amin’ny 40% eo ny tahan’ny zaza tsy ampy taona Malagasy iharan’ny fanararaotana mamoafady anaty aterineto »

15/11/2024 16:32 © Moov

Miha-tsy voafehy ny fampiasan’ny zaza tsy ampy taona ny aterineto eto Madagasikara. Raha ny tatitry ny ECPAT France Madagascar, nandritra ny fifampizarana tamin’ny mpanao gazety notanterahiny dia ambony ny tahan’ny fanararaotana ara-nofo any anaty aterineto amin’izao. Manodidina ny 40% amin’ny zaza tsy ampy taona Malagasy ka mampiasa aterineto no iharan’izany hoy hatrany ity rafitra mpiaro ny ankizy amin’ny fanararaotana ity.

Tsy misy manao fitarainana

Tambazotran-tserasera be mpampiasa indrindra eto Madagasikara ny Facebook amin’izao ary saika tsy misy fetran-taona ny fampiasana azy. Ny ankizy sy ny tanora no tena hita betsaka any anatin’ireny. Etsy andaniny anefa dia samy manana ny hiheverany izay mampety azy ny rehetra na amin’ny soa na ratsy. Izany indrindra no mampiroborobo ny fanararaotana ara-nofo, indrindra, ireo zaza tsy ampy taona. Etsy ankilany anefa dia tsy misy manao fitarainana akory ny ankamaroan’izy ireny. Raha ny fanadihadiana dia heverina ho ny tsy fahampiana fifampiresahana eo amin’ny Ray aman-dReny sy ny ankizy no mahatonga izany. « Niakatra be ny taha nanomboka tamin’ny fotoan’ny Covid-19 ireny. Nahatratra hatramin’ny 70 000 ny sary mamoafady mivoaka avy aty Madagasikara, raha ny tatitra avy amin’ny fikambanana amerikanina iray. Niakatra hatramin’ny 100% izy io tamin’io fotoana io », hoy i Docteur Annick Andriamaro, Tale Jeneralin’ny ECPAT France Madagascar. Tao anatin’izany indrindra no nanamafisany ny tokony hisian’ny fifampiresahana sy fifampizarana eo amin’ny ankizy sy ny Ray aman-dReny hahafahana mijery ireny loza mety hiseho any anaty aterineto ireny.

Efa nihena ny isa amin’izao

Marihina moa fa nisy fiakarany ihany koa ny taham-pampiasana aterineto nandritra ireny fihibohana sy aretina ireny. Kanefa, noho ireo asa isan-karazany, toy ny fanentanana sy ny fampianarana maro be. Tao anatin’izany ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny UNICEF dia efa nahitana fihenana io isa io. « Efa nihena ny isan’ny sary mamoafady misy manaparitaka amin’izao fotoana izao. Nanodididina ny 50 000 isa teo izy ny taona 2022 », hoy hatrany ny fanazavana. Mbola mitoetra hatrany kosa ny maha-zava-dehibe ny fifampiresahan’ny Ray aman-dReny sy ny zanaka na eo aza izany rehetra izany.

Lire la suite

Articles Similaires