Jono sy toekarena manga : Voasafidy ho mpitondra tenin'ny Nosy aty Afrika eo anivon'ny ANAF i Madagasikara
Mandray anjara lehibe amin’ny resaka hifanaovana iraisam-pirenena momba ny jono sy ny toe-karena manga i Madagasikara. Tanjon’izany ny hahazoana traikefa bebe kokoa hampivoarana ity sehatra ity. Manampy izany ihany koa ny mbola naha-lany an’i Madagasikara ho mpitondra ny feon’ny Nosy aty Afrika eo anivon’ny Komitin’ny Fampamokarana Anaty rano ny Afrika "Aquaculture Network of Africa » (ANAF). Nivoitra izany nandritra ny fivorian'ny komity mpanatanteraka eo anivon'ny ny Tambazotry ANAF tao Kenya, izay nifarana omaly.
Hikarohana traikefa vaovao
Tafiditra ao anatin’ny paikadin’ny Fitondram-panjakana hanatsarana ny lafiny ara-ekonomia an’ny Firenena ny manodidina ny jono sy ny toekarena manga. Nanamafy araka izany ny avy ao amin’ny Ministera fa tombony betsaka ho antsika ny mahatafiditra ao anatin’ity komity ity. Amin’ny ankapobeny mantsy dia tambazotra lehibe mifantoka amin'ny fampandrosoana ny Fampamokarana ny Atirano ato anatin'ny kaontinanta Afrikanina ny ANAF. Araka izany, amin’ny maha komity an’ny Madagasikara dia sady afaka mandray ny traikefa avy amin'ny Firenen-kafa isika no afaka mizara ihany koa ireo ezaka sy asa mafy hikirizan'ny ekipa MPEB ankehitriny, izay tarihin'ny Ministra, Dr. Mahatante Tsimanaoraty Paubert. Izany dia ny Fampiroboroboana ny Asa Manga amin'ny alalan'ny Fampamokarana anaty rano, izay manamora ny fifanampiana eo amin’ny samy mpikambana.
Firenena 6 amin’ny 55 voafidy anatin’ny komity
Firenena miisa 06 amin'ireo 55 mpikambana ao anatin' ny ANAF no voafidy handrafitra ity komity teknika ity. Anisan’izany i Madagasikara izay nahazo ity toerana ity izay sady mikambana ao anatin'ny Vovonana SIDS/PEID ho an'ny Jono sy Toekarena Manga ihany koa. Ireto teboka manaraka ireto no handrasana hivoaka aorian'izao fikaonan-doha izao. Paikady dika farany izay hiasan'ny ANAF ka haroso mandritra ny kongresy fahatelo sy ireo voavolavolan-kevitra hatolotry ny solontenan'ny ANAF handray anjara mandritra ny AFRAQ 24 ho fampandrosoana ity sehatra ity. Tsara ny manamarika fa fihaonambe natao hampiroboroboana ny sehatry ny jono ny AFRAQ ary hotanterahina any Tonizia ny 19 hatramin’ny 22 novambra izao ny AFRAQ24.