Toe-karena manga : Miampy telo taona indray ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny jono sy ny C3 Madagascar
Fahombiazana ny fiaraha-miasan’ny Ministeran’ny jono sy ny toerana manga (MPEB) tamin’ny C3 Madagascar (Conservation Centrée sur la Communauté) nandritra ny telo volana voalohany. Hitohy indray izany fiaraha-miasa izany ho tombontsoan’ny Malagasy mpisehatra ao anatin’ny jono satria nanavao ny fiaraha-miasa indray ny roa tonta omaly. Fifanaovan-tsonia teo amin’ny Minisitra Mahatante Tsimanaoraty Paubert, sy ny Program Manager an’ny C3, Fara Rabemamy no nanamarihana izany.
Fanatsarana ny fanjonoana
Raha fahombiazana no hita taratra tao anatin’izay telo taona izay dia mbola tsara kokoa noho izany no fanamby amin’ity fitohizan’ny fiaraha-miasa ity. Araka izany, ho amin'izao 3 taona manaraka izao dia hiompana bebe kokoa amin'ny resaka fanatsarana ny fanjonoana sy ny fijerena ny fihariana anaty rano (aquaculture) mba hihenan'ny tsindry eo anivon'ny ranomasina. Nanamarika izy ireo fa hivelatra kokoa amin'ny asa hafa maro ny C3 Madagascar amin'izao 3 taona manaraka izao ary mety tsy hijanona any amin'ny Faritra avaratrin'ny Nosy intsony fa hiezaka hivelatra amin'i Madagasikara manontolo. Nanamarika ihany koa moa ny avy ao amin’ny MPEB fa efa mihoatra ny 30 amin’izao fotoana izao ny mpiara-miasa amin’izy ireo, anisan’izany ny C3 Madagascar, izay samy manana ny hanitra ho azy avokoa. Samy hahazoana tombony avokoa anefa ireo.
Fampandrosoana maharitra
Tafiditra tanteraka amin'ny fikajiana ny tontolo iainana sy ny toekarena Manga izao fanavaozana fifanaraham-piaraha-miasa izao. Tanterahina amin'ny alalan'ny fitrandrahana ao anatin'ny fanajana ny tontolo iainana hatrany mba hisian'ny fampandrosoana maharitra izany. Raha tsiahivina dia miasa ao amin'ny Faritra arovana Nosy Hara, any avaratrin'ny Nosy ny C3 Madagascar. Fanampiana ny Ministera amin'ny fanomezana traikefa maro sy fanaovana fampiofanana maro samihafa hoan'ireo mpanjono mihoatra ny 1 200 no nimasona’izy ireo tamin’izany. Teo ihany koa ny fizarana karatra maha-mpanjono matihanina. Ankoatra izany ny fanomezana fitaovana maro toy ny lakana mandeha amin'ny milina miisa 09 hoan'ireo koperativa miasa ao amin'ny Faritra iasan'izy ireo sy ny fiaraha-miasa akaiky amin'ireo Komity any ifotony (CLP) miaro ilay Faritra arovana amin'ny fanomezana fitaovana maherin'ny 400 ao anatin'izany ny fitaovam-panjonoana. Hihoatra noho ireo araka izany no andrasana amin’ity 3 taona manaraka ity saingy mifototra hatrany amin’ny fampandrosoana maharitra.