• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Youtube
Image
Vaovao

Donald Trump : Ny talen'ny fampielezan-keviny ihany no nataony talen'ny kabinetra

08/11/2024 09:17 © Moov

Efa voafidy sahady ny tanana ankavanan'i Donald Trump. Susan Wiles, fantatra amin'ny solon'anarana hoe "Ice Lady" no notendreny ho talen'ny kabinetra. Tsy iza izy io fa talen'ny fampielezan-keviny.

Ekipa mandresy

Fahombiazana ny fampielezan-kevitra notarihan'i Susan Wiles. Izany indrindra no hamalian'i Donald Trump soa azy tamin'ny nanendrena azy ho "cheffe de cabinet à la Maison-Blanche". Izy no angady nananana sy vy nahitana izao fandresen'i Trump izao. Mendrika deraina ireo ezaka nataony, ka azo hahatokisana tsara izy amin'ny hitondrany fampandrosoana miaraka amin'ny filoham-pirenena.
Tsy vao izao no niara-niasa tamin'i Donald Trump i Susan Wiles. Matihanina amin'ny politika ao Floride ny tenany sady niandraikitra ny fampielezan-kevitra nahalany filoham-pirenena an'i Trump tamin'ny taona 2016.

Fanomanana maty paika

Na dia mbola amin'ny volana janoary 2025 aza vao handray ny asany amin'ny fomba ofisialy ny filoham-pirenena amerikana vaovao Donald Trump, efa manomana ireo tetikasa rehetra ho tanterahiny izy. Araka ny nandreseny lahatra ireo mpifidy, hisy fanovana azo tsapain-tanana mikasika ny fifindra-monina hiditra an'i Etazonia (immigration), ny politika vahiny (politique étrangère) sy ny angovo. Araka ny fanadihadihana nataon'ny"American Immigration Council", hisy hetsika fandroahana faobe mpifindra monina tsy ara-dalàna miisa 13 tapitrisa, izay handaniana vola mitentina 315 lavitrisa dolara.
Hiverina ihany koa ny fitrandrahana solika fandrehitra (pétrole) any Etazonia. Hisy ny fepetra manokana hiarovana ny tontolo iainana manoloana izany.

Lire la suite

Articles Similaires